Ampangabe: Misy famokarana solika mampitaraina ny mponina

Efa ho herinandro vitsy izay no velon-taraina ireo mponina ao amin’ny kaominina Ampangabe, distrikan’Ambohidratrimo, faritra Analamanga. Ny antony , misy ny orinasa izay nambaran’ireo mponina fa mamokatra gazoala ka miteraka voka-dratsy maro ho azy ireo, indrindra fa ho an’ny tontolo iainana. Rehefa naharay ny fitarainan’ireo mponina ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, Ratsimbazafy Luc, dia nidina teny ifotony omaly, nijery ny zava-misy marina eny an-toerana. Tamin’io fotoana io no nahafantarana fa misy tokoa ny orinasa izay mamokatra solika ao amin’ity kaominina Ampangabe ity, saingy tsy gazoala araka ny filazan’ireo mponina fa ny solika antsoina hoe “bio-diesel” no vokariny. Rehefa nanontany ny manam-pahefana  ao an-toerana ny solombavambahoaka Luc Ratsimbazafy dia nilaza ny ben’ny tanàna fa tsy mahalala ny momba ity fitrandrahana ity mihitsy ny fiadiadiana ny kaominina satria tsy nandalo ny dingana araka ny voalazan’ny lalàna ilay orinasa manao ny famokarana. Raha ny fanazavana nomen’ny ben’ny tanàna ihany dia tetikasan’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny Primatiora ity famokarana “bio-diesel” ao Ampangabe ity ka izay no antony tsy nisian’ny fampahafantarana teo anivon’ny kaominina. Vavolombelona moa ny solombavambahoaka Luc Ratsimbazafy nahita ny fiparitahan’ireo menaka  sy faikan-javatra miloko mainty miparitaka an-tampon-tanety, amin’ny toeram-pambolena, ary miraraka any anaty rano izay fisotron’ny mponina. Ankoatra izay dia mamoaka fofona mahery ihany koa ireo fitaovana ampiasaina amin’ny famokarana ka miteraka tsy fahasalamana ho an’ireo mponina manodidina. Efa nangataka ny tokony hampitsaharana ny famokarana teo anivon’ny kaominina moa ny fokonolona, nisy ny fanapahana mifandraika amin’izany no noraisin’ny ben’ny tanàna kanefa tsy noraharahian’ny tompon’andraikitra ao amin’ilay orinasa. Izany dia mbola manaporofo hatrany fa fanjakan’ny baroa no misy eto amin’ity firenena ity ary voahitsakitsaka ny lalàna. Satria tetikasan’ny fiadidiana ny repoblika sy ny primatiora hono ity famokarana ao Ampagabe ity dia hitsakitsahina ny fahefan’ny kaominina. Tsy misy akory ny fampafantarana ny manam-pahefana ao an-toerana fa avy hatrany dia manao izay danin’ny kibony  ny ao an-dapa. Aiza ho aiza amin’izany ilay fitsinjaram-pahefana tena izy dradradradrain’ny mpitondra isan’andro ? Na eo aza ny fitarainana ataon’ny fokonolona dia manao bemarenina ireo tompon’andraikitra ao amin’ity orinasa mpamokatra solika ity. Ny solombavambahoaka voafidy teny an-toerana moa dia miray feo tanteraka amin’ny mponina ka mangataka amin’ny fanjakana foibe mba hampitsahatra ny famokarana.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire