Inty sy Nday: Tsy ho an’ny mpitondra ny fonja

Matoam-baovao nivoaka tamin’ny gazety sy ny haino aman-jery omaly ny nampidirana am-ponja ny talen’ny kabinetran’ny minisitry ny Serasera, dia i Nivo Ratiarison. Dia nirehaka aoka izany ery omaly ny gazety mpitondra tenin’ny fitondrana Hvm hoe «tsy mijery tany avo avaratra izany ny fitondram-panjakana fa rehefa vandana dia kary» (le pouvoir Rajaonarimampianina ne fait pas d’état d’âme).

Mety ho marina izany aloha fa toa marina ilany ihany.

Voalohany dia na iray efa nalazo tokoa ny ravina niaraha-nihinana ka zara aza misy olona toa an’i Nivo Ratiarison natao sorona mba hanaporofoana fa « tsy manavaka ny mpitondra rehefa hampihatra lalàna », na koa efa mipi-kelika ambony ihany ny mitavandra an’ilay toeran’ny minisitry ny Serasera, dia notsindriana mafy tokoa ilay tranga.

Fa etsy ankilany, mahalasa fisainana ihany raha toa ka marina ny vaovao niely tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ihany, izay nilaza fa « nalefa vao maraina niala tao amin’ny fonjan’Antanimora ka nalefa any Nosy Be i Nivo Ratiarison ».

Herinandro vitsy lasa tokoa aloha izay, efa nahoraka be teto, raha niakatra voalohany teo anivon’ny fampanoavana momba ilay hosoka taratasim-bola i Nivo Ratiarison hoe « notanana am-ponja vonjimaika ». Efa mailo izahay tamin’izay ka nilaza fa « mety ho ny fitondrana Hvm ihany no manaparitaka an’izany vaovao izany mba hanaporofoana eo imason’ny olon-tsotra fa tsy mijery na iza na iza izahay rehefa hampihatra lalàna fa izay nahavita heloka dia mandray ny valin’asany », saingy ny mety ho marina dia tsy any akory izy fa nomena toerana manokana mihaja.

Tsy nisy diso ny tombantombanay ka ity tamin’ny talata ity vao tena naiditra am-ponja, ary io ireharehan’ny fitondrana Hvm io. ? Dia mbola tsy hay koa na tena nisy ilay hoe « nalefa any Nosy Be » na ahoana.

Mbola azo raisina koa anefa fa io fonja io dia tsy natao ho an’ny mpitondra sy ny  tombontsoany. Tombontsoan’ny mpitondra ankehitriny, ohatra, ny tsy namelana an’i Bekasy hijanona teny am-ponja, dia zara izy nandalo iray alina teny, dia navoakan’ny mpitondra ka nalefa any ampita, dia toa tsy nahavita heloka.

Tombontsoan’ny mpitondra koa, ohatra, tamin’ny fitondrana Ravalomanana, no naneren-dRavalomanana ny tompon’andraikitra hamoaka ny fonja an’i Jean Robert Estimé, tale jeneralin’ny « Ldi » tamin’izany. Ny antony, hoy Ravalomanana dia « mitondra volabe ho antsika ry zareo Amerikanina, ary ny « Ldi » dia rafitra vatsian’ny Amerikanina vola. Olona nanolana zazavavikely 6 taona anefa i Jean Robert Estimé, ary ny mpitsabo rehetra nitily an’ilay zazavavikely dia sady tezitra no nalahelo nahita ny fahapotehan’ilay zaza. Tsy namelan’ny tonian’ny fampanoavana teto Antananarivo tamin’izany raha tsy nogadraina ilay vahiny (Jean Robert Estimé) fa Ravalomanana no nandefa fiara mivantana teny am-ponja, namoaka azy.

Ny mpitondra na ny tombontsoan’ny mpitondra dia tsy azo ampidirina am-ponja, fa etsy ankilany, izay mety na ahiana hikitikitika ny tombontsoan’ny mpitondra dia malalaka ho azy ny fonja. Isan’ireny ireo mpitarika ny hetsika teny Soamahamanina (Pierre Robison sy i Tsihoarana ary ireo telo hafa vao naiditra teny tamin’ny alatsinainy). Toraka izany koa i Alain Ramaroson, izay nogiazan’ny governemanta ny antontan-taratasy momba azy mba tsy hahafahan’ny fitsarana nandray an-tanana ny raharaha manao na inona na inona, fa izy koa dia voageja eny. Na inona na inona tokoa aloha antontan-taratasy niaingan’ny fanenjehana an-dRamaroson Alain, dia zaran’ny Hvm aza voatana eny i Alain Ramaroson satria « bibimaintin’ny fitondrana nifandimby teto izy », noho izy tsy hanaiky moramora an’izao endri-pitondrana mampitombo fahantrana ny vahoaka izao.

Ralay

Ajouter un Commentaire