Antsirabe: Filamatra ho an'ny tanan-dehibe

Ny taona 1925 no nisy ny lalàna nivoaka mifehy ny fanorenana sy ny fananan-tany voalohany teto Madagasikara. Nohavaozina fotsiny izany hatramin’izay. Ny taona 2015 vao nisy indray ny lalàna vaovao mikasika izany ka nampahafantarina androany teto Antsirabe izay nandray ny fankalazana nasionaly ny andro maneran-tany ho an’ny trano fonenana. Nampiteraka olana hatramin’izay ny lalàna teo aloha sy fanorenana tanàna ary rehefa hikorontana ny fijoroan’ny tanàna dia mikorontana ihany koa ny trano fonenana, antony izay nanaovana ity lalàna ity izay nolanian’ny solombavambahoaka ny volana desambra 2015. Miainga amin’ity lalàna vaovao ity araka izany ny mety ho fanarenana vaovao sy ny fanatsarana ny efa nisy teo aloha. Ezahana anefa hoy ny minisitra tompon’andraikitra ny tsy hisian’ny fandravana trano fonenana efa nisy hatramin’izay. Ny voalohan’ny volana oktobra no fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny toeram-ponenana fa ho antsika teto Madagasikara dia ny 3 oktobra no nanamarihana izany tamin’ny fomba ofisialy teto Antsirabe. Trano fonenana no laharam-pahamehana, io no teny faneva tamin’ity fankalazana. Nisy ny laha-dinika natao tao amin’ny efitrano fivorian’ny kaominina nanazavana ity lalàna ity ny maraina ka narahana ny fandraisana ny hetaheta sy ny fitarainan’ny olona mikasika ny fanorenana sy ny fananan-tany sy ny manodidina an’ireo. Ny tolakandro kosa ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika izay narahana fitsidihana ireo trano heva isan-karazany teo anoloan’ny kaominina. Zava-dehibe amin'ny faritra Vakinankaratra ny fiantefan’ny safidin’ny fitondram-panjakana hanamarihana izao hetsika izao hoy ny lehiben'ny faritra Vakinankaratra satria manome risika ho an’ny mpitondra izany hiroso amin'ny tsaratsara kokoa. Nitohy tamin'ny fitsidihana ireo tetikasa amperiny napetraky ny fitondram-panjakana ny hetsika, dia ny lalàna mihazo ny “aérodrome” Antsirabe, aryny tranon'ny asa tanàna izay famatsiam-bola avy amin'ny ministeram-panjakana misahana ny tetikasan'ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana.

Abel Ratsimbazafy

Ajouter un Commentaire