Volamena 24kg: Hanjavona toa ny harena teo aloha koa ve ?

Maro ny Malagasy mametraka fanontanina amin’ny harena a-nkibon’ny tany izay tratra eny Ivato hatramin’izay. Tadidin’ny olona hatramin’izao ilay volamena tratra teny Ivato tamin’ny taona 1994 ka tsy hita izay nanjavonany hatramin’izao. Maro koa ny vatosoa sy volamena ary harena hafa tamin’ny taona 2002 ka hatramin’ny 2009 izay tratra teny Ivato izay ka very tsy hita popoka koa rehefa tonga tany amin’ny fanjakana. Isan’ny mbola tsy afaka tao an-tsain’ny mpanaraka vaovao koa ny fahaverezan’ny vato « cristal » 24 taonina sy 17 taonina very tao amin’ny tokontanin’i ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany tetsy Ampandrianomby tamin’ny taona 2015 lasa teo iny. Tsy ny volamena ihany koa no very toa izany fa hatramin’ny andramena na ny “bois de rose” tratra tany Maurice farany teo ary tsy nahenoana vaovao intsony ny fanjakana tamin’iny raharaha iny nefa miisa 6 kaontenera izao izany rehefa naverina teto Madagasikara. Volabe no vidin’ireny ary tokony hatao mangarahara ny nanaovana azy. Manahy indray ny olona maro ary mieritreritra fa hanjavona koa iny volamena 24 kg tratra farany teny Ivato iny. Tsy mazava intsony ny fitahirizana zavatra azo toa ireny izay ataon’ny fanjakana. Te hahalala ny tena fiafaran’ireny raharaha ireny ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Manan-karena isika Malagasy nefa mahantra, ary tsy mazava ny fitantanana ny raharaha eto. Nankaiza ary hatao inona ireo harena ireo? Mitaky fangaraharana izany ary tokony hazava amin’ny Malagasy rehetra ireny raharaha ireny.

J.B.

Ajouter un Commentaire