Sambava: ‘’Foroche’’ miisa 24 voasambotra
Na eo aza ny andraikitra noraisin’ny manam-pahefana sy ny mpitandro filaminana dia tsy mety foana mihitsy fisian’ireo andian-jatovo mahery setra, na ireo fantatra amin’ny anarana hoe “Foroche”, any amin’iny tapany avaratry ny Nosy iny. Raha any Antsiranana matetika no ahenoina vaovao momba azy ireo dia tany Sambava, faritr’i Sava indray no nisehoan’ny fisamborana ny alarobia lasa teo. Raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia miisa 24 mianadahy ireo andian-jatovo nosamborin’ny mpitandro filaminana, 15 hatramin’ny 24 taona ary misy ny tanora vehivavy vao tera-bao. Voalaza fa sady mandroba no manendaka ireto andian-jatovo ireto ary mampiasa zava-maranitra rehefa mampihorohoro olona. Tamin’ny sabotsy 2 oktobra lasa teo dia vehivavy mpanao gazety iray, solontenan’ny Radiom-pirenena sy ny Televizionina Malagasy ao an-toerana no lasibatr’ireto « foroche » ireto. Nandeha nody hamonjy ny tokatranony ity mpanao gazety ity no nifanena tamin’ireo andian-jatovo izay avy hatrany dia nidaroka azy tamin’ny biriky teo amin’ny lohany. Noho ny ratra nahazo azy dia nentina tany amin’ny hôpitaly ity mpanao gazety ity ary mbola tsy nivoaka hatramin’ny omaly hariva. Marihana fa lasan’ireo andian-jatovo tamin’io fotoana io ihany ko ny fitaovana fandraisam-peo, na ny « Dictaphone » teny aminy. Raha ny fanazavana nomen’ny kaomisera ao Sambava dia maro ireo olona efa nahita faisana tamin’ireto « foroche » ireto tao anatin’ny volana maro.
F.Tsihiavonana