Inty sy Nday: Tsy fandriam-pahalemana sy kolikoly ary fivarotan-tany

Eny Andoharanofotsy ny Dinika ho fanavotam-pirenena “Savaranonando” no tanterahina, nanomboka omaly ary hifarana anio. Mpizaika avy amin’ny lafivalon’ny Nosy manodidina 500 no mandray anjara amin’izy io. Amin’ny maha-Dinika ho fanavotam-pirenena azy dia ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny no voafaritra fa hotrandrahina sy hokirakiraina ao. Hatramin’ny omaly misandratrandro tokoa mantsy dia efa niditra tamin’ny asam-baomiera avy hatrany ny mpizaika. Rehefa nandeha tany anivon’ny asam-baomiera tany ny ady hevitra dia nivoitra hatrany ary namoahan’ny mpizaika hevitra mba ho vahaolana izy ireny. Tao, ohatra, ny fanipihana ny fitomboan’ny fahantran’ny Malagasy”, ny “tsy fisian’ny mpiaro ny tombontsoan’ny Malagasy sy ny fihariany fa variana miaro ny tombontsoany sy ny tombontsoan’ireo firenen-kafa mifanaraka aminy ny fitondrana Hvm”. Tao koa ny hoe “mivaona amin’ny adidy tokony hiandraiketany ny tafika Malagasy ka lasa mampiseho fihetsika tsy mendrika, ary mivadika ho herim-pamoretana eo anatrehan’ny vahoaka Malagasy”. Tsy nihambahamba koa ny mpizaika maro nampiaka-peo fa “mirona mandeha any amin’ny jadona ny fitondrana ankehitriny”. Tsy latsa-danja amin’izany ny fitanisan’ny mpizaika saika ireo rehetra mpandray anjara avy amin’ny faritra isan-karazany fa “manenika manerana ny Nosy ny tsy fandriam-pahalemana”. Tsy nihambahamba koa ny tany anivon’ny asam-baomiera omaly tolakandro namaofivaofy ny endrika isehoan’ny kolikoly ka voateny mihitsy ny hoe “rakotry ny kolikoly ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny fiainam-pirenena amin’ny lafiny rehetra”. Toraka izany koa ny fitomboan’ny fandrobana ny harem-pirenena, tsy andro tsy alina.

Tamin’ny fandravonan-kevitra omaly takariva, ho an’ireo vaomiera sasany dia efa nisongadina ny maha-vahaolana maika ny hirosoana min’ny fandrafetana fehin-kevitra ho amin’ny tena fanovana ifotony sy ho fanorenana vaovao satria hita fototra, hoy ihany ny mpizaika omaly, fa tsy manana vahaolana matotra aroso ny fanjakana fa mifikitra fotsiny miaro ny tombontsoan’olom-bitsy sy ny tombontsoan’ny vahiny avy any ivelany.

Etsy ankilany, isan’ny voaresaky ny mpizaika koa fa “tsy azo andeferana intsony satria miha-potika andro aman’alina ny firenena ary tsy mitsaha-mihamahantra lalina hatrany ny vahoaka” ny fandrirariran’ny mpitondra. “Manampin-tsofina tsy mihaino akory ny soso-kevitra aroson’ny sokajim-pikambanana sy hetsika isan-tokony ny fitondrana, ary manomboka amin’ny filohampirenena izany”, hoy izy ireo. Olana isan’ny voaresaka naharitra sy natetika omaly koa ity olana amin’ny tany sy ny fivarotan-tany ataon’ny mpitondra ity, izay mbola mifototra amin’ny resaka kolikoly hatrany, hoy ireo mpizaika ihany. Ankoatra izany, hevitra nahazo vahana tamin’ny asam-baomiera maromaro omaly koa ny fahatsapan’ireo mpizaika fa “mampiseho ny fahalemeny sy ny tsy fahaiza-mitantana ny fitondrana Hvm ka manao fandrahonana sy fampiasan-kery amin’ireo tsy mitovy fijery aminy”. Izany rehetra izany koa dia efa nahatsapana omaly fa tsy manantena na inona na inona amin’izao fitondrana Hvm izao intsony ny vahoaka, raha ny taratra tamin’ny hevitr’ireto mpizaika an-jatony omaly ireto. “Latsaka an-katerena ary very fanahy mbola velona ny Malagasy ka ny vahaolana hivoitra amin’izao Dinika ho Fanavotam-pirenena izao sisa no azo heverina ho vahaolana sy fanantenana”, hoy izy ireo. Ireo mpizaika rehetra aloha dia hita fa mirona any amin’ny tsy maintsy handravana ny rafi-pitantanana ankapobeny ny tany sy ny fanjakana, ary izay no ho antoky ny fahafahana manao fanorenana ifotony vaovao. Midika izany, hoy ny maro teny amin’ity Dinika ity, raha ny omaly, fa tsy azo ihodivirana ny fanentanana ny vahoaka hiara-hijoro ka hiroso amin’izany fandravana ny rafitra namotika izany sy ny pôlitika nentiny ary ny olona manatanteraka ny famotehana, izay mitana ny fahefam-panjakana, satria izay ihany no antoky ny fahafahana tena miantoka ny fanovana tena izy.

Ralay

Ajouter un Commentaire