Analakely: Niverina nitokona ireo mpivarotra
Nidina an-dalambe indray raha somary nangingina tao anatin’ny herinandro maromaro ireo mpivarotra amoron-dalana eny Analakely sy ny manodidina omaly. Nanatevin-daharana ireo mpivarotra amoron-dalana tamin’ity fihetsiketsehana natao omaly ity ireo mpivarotra manamorona ny farihin’i Behoririka izay tsy manaiky ny fanaserona azy ireo eo amin’ny toerany. Tsy miova moa ny fitakiana ataon’izy ireo fa mitovy tamin’ny fitakiana efa natao hatramin’izay dia ny tokony hanomezana azy ireo toerana ahafahan’izy ireo mivarotra an-kahalalahana tsara raha toa ka tsy avela mivarotra eny amoron-dalana intsony. Ny “esplanade” etsy Analakely moa no toerana angatahan’ireto mpivarotra ireto saingy tsy manaiky izany ny kaominina satria efa misy ny tetikasa ho tanterahina eo amin’io toerana io. Nisy maromaro ireo sora-baventy nolanjain’ireo mpivarotra nanao fihetsiketsehana, sora-baventy izay maneho ny tsy faneken’izy ireo ny fandaminana hapetraky ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ho an’ireto mpivarotra ireto dia fanaovana antsojay sy tsindry hazo lena amin’ny vahoaka madinika no ataon’ny kaominina, sady tsy mitsinjo ny mahaolona no manitsakitsaka ny zon’olombelona. Tamin’ny ankapobeny moa dia nilamina ny hetsika, tsy nisy fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo mpivarotra nitokona. Etsy ankilany, raha ny zavatra hita dia misy ireo mpanao pôlitika vitsivitsy no tonga manohana ny hetsika ataon’ireto mpivarotra amoron-dalana ireto. Raha ny omaly ohatra dia tazana nanohana ireo mpanao fihetsiketsehana ny filoha nasionalin’ny fikambanana “Favoria”, Norbet Razafimbelo. Tsara ny manamarika fa somary nihena ny isan’ireo mpivarotra nanao fitokonana tamin’ity fihetsiketsehana omaly ity raha ampitahaina tamin’ireo efa natao tany aloha. Niodinkodina teny Analakely ireo mpivarotra nitokona, nitsoka kiririoka ary ny farany dia nijanona tetsy anoloan’ny lapan’ny tanàna etsy Analakely.
F.T.