Soamahamanina: Mbola tsy mijanona ny tolona
Maro tamin’ireo mpanara-baovao no nieritreritra fa mbola hitohy indray ny fifandonana eo amin’ireo vahoakan’i Soamahamanina izay mijoro miaro ny tanindrazany sy ny mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo-Reg omaly. Tsiahivina fa tao anatin’ny alakamisy roa nisesy, ny faha 22 sy ny faha 29 septambra lasa teo, dia nisavoritaka tanteraka ny toe-draharaha tao an-toerana noho ny fanamparana hery diso tafahoatra nataon’ireo mpitandro filaminana tamin’ireo tantsaha madinika mitsangana, tsy manaiky ny fitrandrahana volamena ataon’ny Sinoa. Raha ny omaly alakamisy kosa dia nilamina tamin’ny ankapobeny ny tao Soamahamanina, tsy nisy ny fifandonana, tsy nisy na iray aza baomba mandatsa-dranomaso nipoaka, tsy nisy ny olona voasambotra, ary tsy nisy ihany koa ny fahatapahan’ny lalam-pirenena voalohany tahaka izay niseho tany aloha. Somary nisy ny fitoniana teo amin’ireo vahoaka omaly noho ny fahafantarana fa efa mangorona entana ireo Sinoa mpitrandraka volamena ao an-toerana. Ho fanamarinana izay filazana fa mangoron’entana izay tokoa ny Sinoa dia nangataka ireo mponina tao Soamahamanina mba havela hijery akaiky ny zava-misy ao amin’ilay toerana misy ny fitrandrahana. Rehefa natao ny fifampidinihana dia nanaiky ireo mpitandro filaminana fa hitondra solontena vitsy avy amin’ireo mponina. Voamarina tokoa tamin’izany fa efa betsaka tamin’ireo fitaovana lehibe nampiasain’ny Sinoa no efa naverina aty Antananarivo saingy mbola misy kosa ireo tavela ao an-toerana. Tsara ihany anefa ny manamarika fa tsy ny toerana rehetra tao amin’ilay faritra misy ny fitrandrahana no azon’ny solontenan’ireo mponina jerena. Manoloana izany indrindra dia nilaza ireo vahoaka mijoro miaro ny taniny fa tsy hitsahatra mihitsy ny fitakiana ataon’izy ireo raha tsy miala tanteraka ao Soamahamanina ireo fitaovana ampiasain’ny Sinoa. Marihana fa tonga tany an-toerana omaly ireo mpanao gazety ao anatin’ny MLE (Mouvement pour la Liberté d’Expression). Ireto farany izay miady ho an’ny fahalalahana maneho hevitra ka tsy manaiky ny famoretana atao amin’ireo mponin’i Soamahamanina. Mbola mahakasika ity raharaha ao Soamahamanina ity ihany dia namoaka fanambarana omaly ny EMMO-NAT na ny Etat-Major Mixte Opérationnel National fa noho ny fandikan-dalàna niseho nandritra ny savorovoro nisy tany an-toerana, tao anatin’izany ny fanakanan-dalana sy ny fandratràna mpitandro filaminana, ary famotehana fotodrafitrasa, no antony nandraisana ireny fepetra ireny fa tsy sanatria hery famoretana akory ny mpitandro filaminana araka ny voizina mafy any anaty haino aman-jery sy gazety. Ny EMMO-NAT izay milaza fa azon’ireo vahoaka manao fihetsiketsehana tsara no mifampiresaka amin’ireo manampahefana sy tompon’ andraikitra ara-panjakana any an-toerana hitadiavana vahaolana.
F.Tsihiavonana