Jules Andriamaholison: Tokony hitsahatra ny fitondrana HVM
Nivoaka tamin’ny fahanginana rehefa tsy nahenoina feo nandritra ny volana maromaro ny mpitarika ny ACS na ny fikambanan’ireo loholona sy CST teo aloha, ny Dr Jules Andriamaholison. Ity mpanao pôlitika ity izay naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaha pôlitika misy eto amin’ny firenena ankehitriny ary nilaza fa tsy tokony ho ekena intsony ny mbola hitohizan’izao fitondrana entin’i Hery Rajaonarimampianina izao. Tsy mandeha araka ny tokony ho izy intsony ny fitantanana ny raharaham-pirenena, miha mikoroso fahana hatrany ny fiainan’ny Malagasy, ny harem-pirenena atao varo-boba amin’ny vahiny, tsy resahina intsony ny resaka tsy fandriam-pahalemana sy ny afera maloto ataon’ireo tandapa. Manoloana izany indrindra dia mitovy hevitra amin’ireo vovonana mpanohitra mijoro amin’izao fotoana izao ny Dr Jules Andriamaholison amin’ny tokony hisian’ny fifidianana mialoha ny fotoana. Ny tena laharam-pamehana voalohany anefa ary tokony ho tanterahina ao anatin’ny fotoana fohy dia ny fametrahana rafitra tetezamita tena izy mba ahafahana manao fanorenana lehibe eto amin’ity Madagasikara ity. Ny filohan’ny ACS izay nilaza fa tsy manana paikady matotra entina miady amin’ny fahantrana ny fitondrana mijoro ankehitriny kanefa tsy ho tafavoaka ao anatin’izao fahasahiranana lalina izao mihitsy ny firenena raha tsy misy ny paikady matotra sy mahomby hiadiana amin’ny fahantrana. Ny Dr Jules Andriamaholison izay nisafidy ny tsy hiara-dia amin’ireo fikambanana sy hetsika pôlitika mitsangana manohitra ny fitondrana ankehitriny na dia betsaka aza ny foto-kevitra iraisana.
F.Tsihiavonana