INTY SY NDAY: Tsy itokisan’ny mpiasam-panjakana intsony koa

Hihetsika indray ato ho ato ny Vovonan’ny Sendikan’ny mpiasam-panjakana noho ny tsy fahitan’ireo mpiasam-panjakana amin’ny ankapobeny ny fahombiazan’ny fitondrana foibe amin’ny fitantanan-draharaha ankapobeny. Isan’ny niaingan’ny hatairan’ireto sendika miara-dia ao amin’ny Vovonan’ny sendikan’ny mpiasam-panjakana ny fahavitan’ilay pôlitikam-pirenena ho amin’ny asam-panjakana. Niandrandra fivelaram-piainana tsaratsara sy misimisy kokoa amin’iny politikam-pirenena iny ny mpiasam-panjakana amin’ny ankapobeny, izay isan’ny nandray anjara tamin’ny famolavolana sy fandrafetana azy iny, nefa dia kivy sahady izy ireo raha natolotra an’Ingahy Filohampirenena Rajaonarimampianina ilay antontan-taratasy mirakitra an’ilay pôlitikam-pirenena satria valy borobory no nasetrin’ny filoha an’izany hoe “tany mena tsy mirehitra” ary “valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza” fa “raha tianareo ny hampitomboana ny anjaranareo amin’ny mofomamy dia ampitomboy aloha io mofomamy io”.

Karazan’ny daka ambavafo no fandraisan’ny mpiasam-panjakana izany nefa ny mpitondra, hoy izy ireo; miliba amin’ny volam-panjakana sy ny harem-pirenena tokony hanavotana ny tanindrazana, ary isan’ny hahazo tombony amin’izany ny mpiasam-panjakana raha tsara tantana izany rehetra izany. Hatrany amboalohany nitsanganan’ity Vovonan’ny sendikan’ny mpiasam-panjakana ity no efa tsy resy lahatra amin’ny fomba fitantanam-panjakana ataon’ny mpitondra ankehitriny izy ireo, saingy nanetsika ny hambom-pon’izy ireo ny valin-teny miendrika an’avona sy fanaovana zinona ny mpiasam-panjakana avy amin-dRajaonarimampianina. Tsy matoky ny fitondrana Hvm sy ny filohampirenena ankehitriny intsony izy ireo. Ho loza mitatao amin’ny fiainam-pirenena sy ny vahoaka ange rehefa ny mpiasam-panjakana no tsy matoky ny fitondram-panjakana e! Mitarika ny tsy fananan’izy ireo risi-po eo ampanatanterahan’izy ireo ny asany izany, ary dia hampihombo ny fahavozana eto. Mitaky fahatsiarovan-tenan’ny mpitondra fanjakana foibe izany ny rahampitso sy rahafakampitso, satria ireny sendika miara-dia ao amin’ny Vovonan’ny Sendikan’ny mpiasam-panjakana ireny ange ka manana  ny anjara-toerany any anivon’ny toeram-piasana isan-tokony any e!

Ralay

Ajouter un Commentaire