Ravalo sy Armada: Ao anatin’ny vovon’i Hery Rajao
Nanaitra ny mpanara-baovao maro omaly ny nahita ny lahatsoratra nivoaka tamin’ny gazety sasantsasany teto an-toerana, izay nitatitra ny fihaonana mangingina teo amin-dRavalomanana sy ireo lohandohan’ny mpisorona ao anatin’ny vondron-kery Armada, dia i Camille Vital, Hajo Andrianainarivelo, Jean Louis Robinson, Christine Razanamahasoa.
Voalazan’ny gazety sasany fa “Ny Mitsangana ry Malagasy no nihaona tamin’io filohampirenena teo aloha io”; saingy ny niavaka aloha dia ireo mpiara-dia ao amin’ny vondron-kery Armada ireo. Tsy tazana teny mantsy, ohatra, i Omer Beriziky mbamin-dry Holijaona Rabaonarijaona sy ry Rabetsaroana, izay samy lohandohany ao amin’ny Vondron-kery “Mitsangana ry Malagasy” avokoa.
Ny fahitan’ny maro an’ireo endrik’olona nihaona ireo dia naman’ny fanomezana vahana ny fitondrana Hvm sy i Hery Rajaonarimampianina avy hatrany na inona fanazavana na inona. Misy mihitsy aza no milaza fa “tafiditra ao anatin’ny vovon’i Hery Rajaonarimampianina izy ireo”.
Ny antony dia tsotra. Samy efa nanana dian-tanana tao anatin’ny fitondrana nifandimby teto ireo nihaona teny amin’ny tranon’ny masoivohon’ny Vondrona Eraopeanina ireo, ka maro ny olona no milaza fa na henjana sy mafaitra aza ny afitsoky ny fitondrana Hvm sy i Hery Rajaonarimampianina dia sarotra kosa ny ndeha hamerina eo amin’ny fitondrana ireo efa nanana dian-tanana tamin’ny famotehana ny firenena sy fampahantrana ny vahoaka.
Vao mainka koa mampibaribary ny tarigetran’izy rehetra ireo, hoy ihany ny mpitazana, ny fahafantarana fa tany amin’ny tranon’ny masoivohon’ny Vondrona Eraopeanina, izay isan’ny mitana toerana goavana eo anivon’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena no nihaonan’izy ireo. Ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay fantatry ny Malagasy maro fa tompon’andraikitra tsy afaka mihodivitra amin’izao krizy mbola mampitondra faisana ny vahoaka izao, ary isan’ny nampihombo fahantrana ny vahoaka tao anatin’ny 56 taona.
Ireo olom-pirenena tsara sitra-po izay misehatra any anatin’ny hetsika isan-karazany, na any amin’ny fikambanana sy firaisa-monim-pirenena izay manam-piniavana hitondra ny tena fanovana sy fanorenana eto amin’ny firenena izao ka manana fahatsoram-po hanentana ny vahoaka hiara-miatrika ny tena fanorenana ifotony dia mety tsy hitokisan’ny olom-pirenena tsotra koa noho izao afitsoky ny olona sasany te hanandra-tena tampoka ho tompon’ny fanaovana pôlitika eto, toa iny fihaonan-dRavalomanana tamin’ireo ao anatin’ny Armada iny.
Na izany na tsy izany, tranga iray tokony hahafahan’ny vahoaka manavaka ny vary amin’ny tsiparifary koa ireny ka hanavaozan’ny olom-pirenena maro ny fifanatonany sy ny famondronan-keriny ho amin’ny tena fanovana ifotony eto, satria zara aza nitranga ireny fifanatonana sy fiarahan’ny ampahany amin’ireo samy efa nampitondra faisana ny vahoaka, dia hiavaka tsara mihitsy ny tena liam-pivoarana eto sy ny mpilalao vahoaka mbamin’ny mpiandrandra tombontsoa manokana.