Soamahamanina : telo sosona ny fahavoazan’ny fanjakana

Mampiseho tanteraka ny tsy fahaizana mitondra firenena ny raharahan’i Soamahamanina. Voaporofo tamin’ny fialan’ny orinasa sinoa antsoina hoe « Jiuxing mines », izay mpitrandraka volamena nomen’ny fanjakana alalana hanao izany tao amin’ity faritra ity. Marobe ny resaka mandeha tao anatin’ny volana vitsivitsy nanombohan’ny fitrandrahana tao Soamahamanina izay. Nitroatra ny mponina ary nisy ny fifandonana teo amin’ny fanjakana malagasy izay mitondra amin’izao fotoana izao tamin’ny alalan’ny Emmo/reg sy ny vahoaka tany an-toerana izay niaro ny fananany ary ny taranany. Nanampy ny mponina ireo koa ny fiaraha-monim-pirenena sy ny mpanao pôlitika maro ary ny fikambanan’ny mpanao gazety ao amin’ny Miara-manonja. Isan’ny tsy nanaiky ny fitrandrahana koa ny ny « Ecar » na ny fiangonana katôlika eto Madagasikara ka nitarika izany ny diosezin’i Miarinarivo izay niafara tamin’ny fanohanan’ny katôlika sy ny fikambana’ny eveka eto Madagasikara. Nirefodresotra ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny daroka nahazo ireo mponina tany an-toerana nataon’ny hery famoretana nataon’ny fanjakana. Nisy koa ny mpitarika ny tolona tao Soamahamanina no nampidirina am-ponja dia ingahy Robison sy Tsihoarana. Maro no naratra na ny mpitandro ny filaminana na ireo mpisakana ny fitrandrahana. Tsy afaka nandamina izany ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina ka dia niafara tamin’izany herisetra izany ny raharaha. Tsy nijanona ho raharahan’i Soamahamanina irery hany anefa ny fandehan-javatra fa lasa raharam-pireneana sy iraisam-pirenena tanteraka, ka nipoitra avokoa ny fitrandrahana tsy ara-dalàna izay ataon’ny Sinoa sy ny fanjakana amin’izao fotoanan izao manerana an’i Madagasikara manontolo.

Voatery niala ny Sinoa tompon’ny orinasa “Jiuxing mines” ny alakamisy faha 05 oktobra 2016 tao Soamahamanina. Nangoron’entana hoy ny fitenenana. Dia mbola mipetraka ny fanontaniana hoe handeha ho aiza indray no hitrandraka sy hanarina ny fatiantoka ity orinasa ity? Voalazan’ny fanambarana navoakan’ny orinasa ity fa be dia be ny vola lany tamin’izao raharaha izao. Isan’izany ny fanafarana ny fitaovana, ny fikarakarana isan-karazany, ary ny vola izay nentina nanatontosa ny dingana izay efa natao… Izany rehetra izany anefa dia noho ny tsy fahampian’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifampiresahana ary ny fifanatonana teo amin’ny fanjakana sy ny vahoaka ary ny orinasa izay voalaza fa tsy nitovy ny fomba fijery. Nisy koa hoy ny taratasy misokatra avy any amin’ny sinoa sy ny mpiasa ao amin’ity orinasa ity ny tsy fahaizana mamaha olana. Raha itarina ny resaka dia ny lalàna sy ny fampiharana izany no tena olana eto Madagasikara ankehitriny, fa indrindra ny mahakasika ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Marina dia marina ny fanamarihana nataon’ny Sinoa ireto satria nipetraka ny olana ka tsy voavaha.

Eo anatrehan’izany dia misy fiatraikany amin’ny fitondram-panjakana izao raharaha izao. Voalohany indrindra dia niteraka tsy fifampitokisana teo amin’ny samy Malagasy izany ka nisy fiantraikany amin’ny pôlitika sy sosialy amin’ny fitondram-panjakana Hery Rajaonarimampianina. Maro ny misokajy ny fanjakana ity ho mpivarotra tanindrazana sy ho mpanao kolikoly ary tsy mahafehy ny fitondrana intsony.  Ny faharoa indray dia tsy maintsy misy fiantraikany amin’ny fandraharahana sy ny fidiran’ny orinasa vahiny eto Madagasikara io raharaha io, ka manaporofo ny tsy fetezan’ny mpampiasa vola vahiny hanokatra orinasa eto Madagasikara. Ny fahatelo farany dia ny tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny fifandraisan’ny fanjakana sinoa sy Malagasy iny raharaha iny. Izany rehetra izany no tsy maintsy hitranga amin’ity raharaha ity izay midika ny tsy fahamatoran’ny fanjakana Malagasy. Ho sarotra ny hanarenana izany ho an’ny fanjakana ity.

Jesy Rabelaolao   

Ajouter un Commentaire