Inty sy Nday: Ilaozan’i Hery manao propagandy ny mpanohitra
Tsy raharahan’i Hery Rajaonarimampianina mihitsy ny fihetsiketsehana ataon’ny mpanohitra amin’izao fotoana izao. Ilaozany mitety an’i Madagasikara, mamono afo any amin’ny vahoaka mba hisintona ny mpifidy eo anatrehan’ny fitakiana ataon’ny DFP (dinika hoan’ny fanavotam-pirenena) sy ny MMF (Malagasy mivondrona hoan’ny fanorenana). Mba nangataka ny olona avy amin’ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana izao ny DFP ity mba hidinika miaraka aminy amin’ny fanorenana ifotony takian’izy ireo, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, nefa dia tsy noraharahany tanteraka izany fa nilaozany nakany avaratrin’ny nosy sy tany Maintirano. Toa ny tsy misy izany raharahan’i Soamahamanina izany, ary tsy misy ny fitakiana ataon’ny mpanohitra ireto raha ny resaka ataon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina no asian-teny.
Ny resaka hany voizin’ny filoham-pirenena dia ny filazany fa miasa ny governemanta sy ny fanjakana io.Mitanisa ny zavatra madinika izay ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao no mahamaika azy ary manasa ny sain’ireo tambanivohitra tsy maharaka ny raharaham-pirenena akory hitodika amin’ny fampandrosoana. Ny hany teny faheno ankehitriny ataon’ny mpitondra fanjakana dia ny hoe: “miasa ny fanjakana ankehitriny ka avelao hanao izany ampilaminana”. Fa angaha moa nisy fanjakana tsy niasa teo hatramin’ny nahazoana ny fahaleovan-tena izay? Ny olana misy anie tsy ny fiasany fa ny akon’ny asan’izany sy ny vokany any amin’ny vahoaka sy ny firenena. Tsy misy olona na iray izany ankehitriny mahita tombotsoa amin’io fanjakana io raha tsy ireo manodidina ny filoham-pirenena ihany sy ireo dahalo mpandroba sy ny jiolahy mpangalatra. Hoan’ny olona tsy niomana hitondra firenena dia miteny foana toa izao. Raha tena miasa marina ve ny fanjakana io dia hirongatra izay tsy izy ve ny asan-jiolahy sy ny asan-dahalo ary ny fisolokiana sy ny kolikoly avo lenta eto amin’ny firenena ankehitriny. Moa ve asa hampahantra ny vahoaka no ataon’ny fanjakana io satria ny 92% ny fianakaviana Malagasy ankehitriny dia mahantra avokoa ary ny 98 % ny mponina no milomano ao anatin’ny fahasahiranana lalina. Tena asa tokoa ny fanomezana alalan’ny sinoa hanondrana omby maty amin’ny alalan’ny abatoara nomen’ny fanjakana alalana ireo, izay mitarika ny asan-dahalo amin’izao fotoana izao. Tena mbola asa koa ny fanomezana alalana ny sinoa hitrandraka ny harena ankibon’ny tany eto Madagasikara ireo ankehitriny maneran’ny firenena. Mbola asa ngezabe koa ny fanondranana volamena sy hazo sarobidy any ivelany ireny. Tsy misy voalaza amin’ny fitsidihana ataon’ny mpitondra ankehitriny any amin’ny faritany ireny, fa ny filazana fa miasa ny fanjakana ihany no asesika amin’ny lohan’ny vahoaka. Asa inona marina moa no zavatra mba mandeha eto amin’ity firenena ity. Raha miasa marina ve io fanjakana io dia hiseho ireo fitokonana maro samy hafa misy eran’i Madagasikara amin’izao fotoana izao ireo? sa olona adala sy vendrana izy ireo ka hifandona amin’ny emmo/reg isakin’ny mihetsika? Mahandrasa ny 2018 no teny faharoa avoakan’ny mpandray fitenenana amin’ny fitsidihana ataon’ny filoham-pirenena amin’izany. Miaro mafy ny taona 2018 izy ireo.
Raha mbola handeha lavidavitra isika dia sanatria ny vava ka adala ny eveka katôlika manao antso avo amin’ny firenena fa tsy mety intsony izao fitondrana ny firenena izao? Resaka tsy misy valiny avokoa ireo eo anatrehan’ny fanjakana ankehitriny tarihin’ingahy Hery Rajaonarimampianina ity. Na mba mamaly ny tenin’ny eveka ireny aza dia tsy misy akory, ary na miantso azy ireo hidinika aminy aza dia tsy ataon’ingahy Hery Rajaonarimampianina izay filoham-pirenena fa avelany ho tata-bava eo ny eveka katôlika ireto izay akaiky kokoa ny vahoaka any rehetra any.
Manomana ny fifidianana hatrany aloha hatramin’izao no mbola laharam-pahamehana ataon’ny fanjakana ankehitriny, ka azo lazaina fa endrika propagandy sahady no ataon’izy ireo hatramin’izao.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao