Ambatofinandrahana: Takian’ny dahalo 100 000 ariary isan’omby ny tompony
Tamin’iny volana septambra 2016 iny dia very ny omby miisa 120 mahery tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ankerambe ao amin’ny kaominina Mandrosonoro, ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana. Nangalarin’ny dahalo ireo omby ireo rehefa avy nanao tontakely ity fokontany ity izy ireo. Amin’izao fotoana izao dia misy hita any amin’ny fokontanin’i Tsimamaliavoana ao amin’ny kaominin’i Fenoarivo ireo omby ireo. Notenenin’ny dahalo ny mpanara-dia fa ao ny ombinareo saingy tsy ho azonareo raha tsy mandoa vola 100 000ariary isaka ny omby ianareo. Vola mitentina 12 tapitrisa ariary izany no takiana amin’ireo tompon’omby ireto vao homena azy hono omby. Voalazan’ireo dahalo mpangalatr’omby ireto fa efa lasany ireo omby ireo, ka 100 000 ariary isan’omby no handraisan’ny “patron” izay voalazany fa handray ny omby halatra ireo. Sahiran-tsaina noho izany ireto tompon’omby ireto ankehitriny. Sady rava fananana no mbola takiana vola koa. Voalazan’ireo mpanara-dia ireto omby ireto fa any amin’io toerana io ny mpampandry tany sasany avy ao amin’ny zandary sy ny miaramila avy any Fianarantsoa sy Ambositra. Toa tsy afaka manao na inona na inona anefa izy ireo raha ny loharanom-baovao hatrany satria tratran’ny sakodim-panina ataon’ny dahalo sy ny mponina any an-toerana. Ny fe-potoana farany hanaovana ny fampandrian-tany anefa efa antomotra ihany. Efa matahotra ny valifaty hataon’ny dahalo sahady ny mponina amin’izao fotoana izao. Azo lazaina fa fanjakana hafa mihitsy no misy any amin’ity toerana ity ankehitriny satria ny dahalo no mametraka ny lalàna amin’ny fiaraha-monina.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao