Anosizato-Ankazotoho: Nahitàna faty olona 3 tao anatin’ny iray volana
Miaina ao anatin’ny fitaintainana ny mponina eny amin’iny faritra Anosizato sy Ankazotoho iny amin’izao fotoana izao. Tato anatin’ny iray volana mahery kely dia faty olona miisa 3 be izao no hita teny an-toerana ary maty novonoina avokoa izy rehetra ireo raha ny fahitàna ny ratra sy ny takaitra tamin’ny vatana. Tany amin’ny fiandohan’ny volana septambra teo no nahitàna fatim-behivavy iray, tamin’ny tapa-bolana lasa teo kosa ny faharoa ka lehilahy iray no hita faty tamin’io fotoana io, ary vao tamin’ny sabotsy maraina teo no mbola nahitàna razana iray teny amoron’ny reniranon’Ikopa. Hatreto, tsy mbola nisy tratra ireo nahavanona ny loza, tsy misy raha teo ihany ny famotorana lalina avy amin’ny mpitandro filaminana fa raisina tahaka ireny faty olona rehetra hita manerana ny renivohitra ireny. Manoloana izany tsy fisian’ny fandriam-pahalemana izany dia mitaintaina ireo mponina eny an-toerana satria raha ny fahitàna ireo razana 3 dia tsy mifidy sarangan’olona ireo olon-dratsy fa izay mifanehatra aminy rehetra dia mety ho lasibatra avokoa. Raha ny filazan’ireo mponina eny an-toerana izay nanaovana fanadihadiana dia fadiana mihitsy raha mbola azo atao ny mivezivezy amin’ny andro maizina, indrindra fa amin’ny alina. Anisan’ireo toerana azo ambara ho faritra mena eto Andrenivohitra ny faritra Anosizato iny raha ny resaka tsy fandriam-pahalemana tao anatin’ny taona maro, ankehitriny anefa dia vao mainka mihorohoro ny mponina noho ny fisian’ireo faty olona tsy mazava ireo. Ireo mponina izay miantso ny mpitandro filaminana sy ireo tompon’andraikitra ara-panjakana mba hijery akaiky an’ity vonoan’olona tsy misy farany ity.
F.Tsihiavonana