Inty sy Nday: Mibaribary hatrany ny tsy fahombiazan’ny mpitondra e !
Nampiteny ny moana indray omaly tontolo, nanomboka tamin’ny 5 ora maraina ny fahatapatapahan’ny herin’aratry ny Jirama na ny “delestazy”. Ny faritra amin’ny ankapobeny teto Antananarivo aloha dia saika nianjadian’izy io avokoa Dia mahavariana fa isan’ireo fanamby namatoran’ny filoha Rajaonarimampianina tena tamin’ny vahoaka io resaka delestazy io tamin’ireny fampielezan-kevitra tamin’ny volana Desambra 2013 ireny, hoe “ao anatin’ny enim-bolana dia voavahantsika io olana io”.
Efa roa taona sy 9 volana izao no nitondrany fa raha nisy dia roa volana tao anatin’izay no mba nilamindamina io resaka delestazy io, dia miverina hatrany. Porofo mitohoka amin’ny tenda io fa tsy mahafehy ny raharaha iankinan’ny aim-bahoaka sy ny tokony ho fampandrosoana ny firenena ny mpitondera fanjakana ankehitriny. Dia mbola hisy hilaza indray ve fa tsy ilaina ny mitsikera sy maneho hevitra ho fanakianaa ny mpitondra? Na hambara ho fanakorontanana sy fanonganam-panjakana za izany fitsikerana sy fanakianana ary fanehoan-kevitra isan-karazany ataon’ny sokajin’olona maro izany dia voaporofo fa tsy misy ifandraisany amin’ny fanehoan-kevitra ho fitsikerana na fanakianaa ny tsy fahaizan’ny mpitondra mihitsy ny fitohizan’ny delestazy. Sa misy sahy hilaza hoe “noho ny fivoriana na famoriam-bahoaka ataon’ny mpanohitra dia tsy voavaha mihitsy ny delestazy” ? Dia hisy sahy hanambara koa ve izao fa “vokatry ny fikononkononan’ny mpanohitra fanakorontanaa dia voatery mampiroborobo ny kolikoly avo lenta ny mpitondra ?” Sa mbola homena rariny koa ny fiarovan-tenan’ny mpitondra amin’ny hoe “satria mitetika fanonganam-panjakana ny mpanohitra ka tsy mety raha tsy manome vahana ny tsikombakomba amin’ny vahiny handroba ny harem-pirenena eto izahay mpitondra”. Azo atao ny mitanisa ny maha-hevitra bontolo sy miendrika lainga marivo tototra ny fiarovan-tenan’ny mpitondra sy ny entiny hamelezana ny mpanohitra. Ohatra. Satria ve mitetika fanakorontanana na fidinana an-dalambe ny mpanohitra dia tsy afaka mandavorary ny asa fikarakarana ny fahasalamam-bahoaka any ifotony ny fitondram-panjakana ? Tsy afaka koa miantoka ny fampivainganaa ny fampahombiazana ny fampianarana sy fanabeazana araka ny tokony ho izy ny zana-bahoaka ? Dia holazaina koa ve fa ny fihaonambe nokasain’ny mpanohitra ho natao tao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina tamin’ny tapa-bolana no fototry ny tsy fahavitan’ny fitondram-panjakana namongotra hatramin’ny fakany ny asan-dahalo sy ny fandrobana ombin’ny vahoaka any amin’ny faritra anjakan’izany ?
Eny, mety hisy koa hilaza ve fa “noho ny mpanao gazety sasany mijoro tsy manaiky ny fanitsakitsahana ny fahalalahana maneho hevitra ka itsipahan’izy ireo an’ilay lalàna momba ny serasera lasa lalàna ho amin’ny famoretana dia tsy afaka miantoka ny fampanjakana ny fanjakana tan-dalàna izahay, ka aza omenareo tsiny raha toa ka ireny fanamparam-pahaefana toy ny nitranga tamin’ny vola mitentiona 396 Tapitrisa ariary tokony ho an’ny kaominin’Ambohimahamasina Ambalavao ireny no nitranga.” Na koa hoe “satria mitetika ny hamory vahoaka tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, tamin’ny roatokombolana lasa ny mpanohitra sarotra ny nifototra tamin’ny fanaraha-maso an’ilay sambo “Mercy Ships” tao Toamasina nandritra ny herin-taona mahery, na efa renay aza ny fanairana avy aminareo mpanao gazety, ka aza omen-tsiny izahay raha lasan-dry zalahy ny volamena 21 taonina….”
Sy ny maro tsy ho voatanisa e !
Tena lasa teboka ialokalofan’ny mpitondra sy ialany olana amin’ny tsy fahombiazany ny hetsika ataon’ny mpanohitra, na fanehoan-kevitra tsotra ambony gazety sy any amin’ny haino aman-jery aza. Dia izany no ampidirana am-ponja olona mijoro miaro ny tanindrazany, toy ny Raharaha Soamahamanina sy ny hafa. Izany rehetra izany ange no toa tsy azo anomezan-tsiny ny olona hafa mitaky ny fialan’ny mpitondra ankehitriny, na ny fieritreretan’ny olona sasany koa hoe “nahoana raha aongana any io fitondrana io fa tsy ahitan’ny vahoaka tombontsoa e !”
Ralay