Ampitatafika: Mitohy ny halatra amin’ireo kojakojan-jiro

Ny ratsy tsy kely lalana tokoa. Efa mandray ny fepetra rehetra mba hiarovana ny kojakoja amin’ireo jiro arehitry ny herin’ny masoandro amin’iny lalampirenena voalohany manakaiky ny faritra ny kaominin’Ampitatafika iny ny tompon’andraikitra tarihin’ny ben’ny tanàna eny an-toerana, fa mahita irika hangalarana an’ireo kojakoja hatrany ny olon-dratsy e! Tenin’ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika io omaly. Na ireo mpiandry omby aza, hoy izy, efa rarana tsy hanakaiky ireny fotodrafitrasa ireny, ary mahagaga fa ny mpiteraka angovon’aratra ao amin’ireny jiro ireny na ilay “bateria” dia efa milevina ary voatemitra simenitra mafy (beton) fa mbola tratran’ireo olon-dratsy ihany.

Voalaza moa fa efa nisy olona efatra no tratra tamin’izany asa maloto izany, ary fantatra fa misy olona mpandray an’ireny kojakoja ireny (bateria na ilay milina kely ao anatiny) eny Anosibe na any Snkay Tsiroanomandidy, fa toa tsy mba misy ny famaizana hentitra angamba, ka mitohy ihany ny halatra.

Tsy miraviravy tanana anefa izahay, hoy ny ben’ny tanàna eny an-toerana, fa manamafy ny fiarovana an’ireo fitaovana sy kojakoja tsy mbola nianjadian’ny halatra, ary miantso ny tsara sitra-po sy ny malala-tanana mba hiara-hanao tan-tsoroka hanarina ireny fotodrafitrasa ho fanasoavana ny tanàna ireny.

Comments are now closed for this entry