COMESA: Mitaraina ny delegasionina vahiny
Andro fahadimy amin’ny fivorian’ny COMESA (Varotra iombonan’ny firenena aty atsinanan’i Afrika), androany zoma faha 14 oktobra 2016. Mbola fivoriana fanomanana ny fihaonan’ireo filoham-pirenena no tena ataon’ireo mpandray anjara avy amin’ny firenena samihafa. Tsy mbola misy ny vokatra hatramin’izao fa ny fimenomenonan’ireo delegasionina avy any ivelany amin’ny tsy fahaizana mandrindra ny fihaonana no mandeha be eran’ny toeram-pandraisam-bahiny izay itobian’izy ireo.Tsy mahafapo azy ireo ny fomba fiasan’ny firenena Malagasy ary misy mihitsy no mahatsapa fa be loatra ny lesoka. Mitaraina mafy amin’ny tsy fahaizan’ny firenena Malagasy amin’ny fitaterana ireto delegasionina ireto. Ao koa no mitaraina amin’ny antontan-taratasy sy ny boky ho entina mivory isan’andro satria tsy ampy izy ireny. Raha toa ka olona miteny anglisy no betsaka mandray anjara dia boky amin’ny teny frantsay indray no atao maro. Azo lazaina fa zavatra tsotra izany nefa misy akony amin’ny fivoriana toa itony. Raha ny tokony ho izy dia tsy tokony hisy mihitsy ny olona mimenomenona amin’ny fivoriana toa itony. Mitaraina amin’ny tambin-karamany koa ireo mpiasa Malagasy. Ny miaramila ihany aloha no voalaza fa mahazo ny vola tambin-karamany ara-dalàna hatramin’izao. Tsy mbola betsaka akory ny olona tonga eto Madagasikara nefa efa maro ireo mpandray anjara amin’ny fivoriana no mimenomenona. Hanao ahoana izany ny amin’ny fihaonana an-tampon’ny frankôfônia izay avo efatra heny noho izao olona tonga amin’izao fotoana izao no ho raisina? Mbola tsy misy ny fanofanana ny olona hiasa amin’izany hatreto. Ilaina ny fiofanana na dia ho an’ireo olona hikarakara ny trano fivoriana fotsiny aza. Aza adinoina fa filoham-pirenena 80 no ho tonga amin’io fotoana io raha tsy misy ny olana. Raha ny vaovao azo dia misy ny mpiasa ao amin’ny fikarakarana ity fihaonana ity no tsy nandray vola tao anatin’ny 3 volana izao. Mitaraina mafy izy ireo noho izany. Fa misy inona no mampijaly ny mpiasany toa izany ireto mpikarakara ireto sy ny fanjakana Malagasy ?
Laza ratsy ho an’ny Malagasy aloha no mitranga amin’izao fotoana izao eo amin’ny fanatanterahana ny Comesa. Maro ny delegasionina vahiny no mimenomenona ary misy koa ny mpiasa Malagasy no tsy mahalala marina ny tena karamany sy ny tambin-karamany.
J.B.