Tsy fahombiazan’ny mpitondra: Hiaritra hatramin’ny oviana ny Malagasy ?
Tato anatin’ny 2 na 3 andro izay dia tsy misy tsy mimenomenona ny mpanjifa ny JIRAMA noho ny delestazy izay mamely mafy manerana ny Nosy. Izay toerana rehetra aleha, indrindra fa any anaty tambazotran-tserasera, dia saika mitaraina manoloana ny fahatapahan-jiro izay maharitra ora 4 na ora 5 isan’andro ny olom-pirenena. Raha ny tsikaritra tao anatin’izay andro vitsy niverenan’ny delestazy izay, dia tena sorena ny mponina ary maro amin’izy ireo no te hitroatra kanefa tsy afa-manoatra fa miaritra. Tsy ny mponina eto Antananarivo ihany moa no mikolay noho ny fahatapahan’ny herinaratra fa manerana ireo renivohi-paritany rehetra, sy ireo tanan-dehibe renivohitra ny distrika, dia mikaikaika ny mpanjifa. Mazava ho azy fa matoa mbola tsy foana ny delestazy, 2 taona sy 9 volana aty aorian’ny nandraisan’i Hery Rajaonarimampianina ny fahefana, dia misy ny tsy fahombiazana eo amin’ny fitantanana, na eo anivon’ny ministera mpiahy izany, na eo anivon’ny orinasa JIRAMA. Noho ny tsy fahaizan’ny mpitondra, voatery miaina ao anaty haizina ny vahoaka Malagasy, tsy resahina intsony ny fatiantoka aterak’izany ho an’ireo mpandraharaha madinika mampiasa herinaratra manerana Nosy. Hatramin’ity androany ity, tsy mbola afaka manambara ny mpitondra ankehitriny hoe rahoviana marina no ho foana tanteraka ny delestazy. Tsiahivina ihany fa 3 volana, na enim-bolana farafahatarany, ny fotoana nampanantenain’i Hery Rajaonarimampianina hamahana ny olan’ny delestazy, tamin’ny fotoana nanaovany fampielezan-kevitra. Raha ny fahitàna azy aloha hatreto, dia tsy ho voavahan’izao fitondrana HVM izao mihitsy ity resaka delestazy ity na mifarana aza ny fe-potoam-piasany. Ny fanontaniana lehibe mipetraka dia ny hoe: “hatraminy oviana no hiaritra ny tsy fahombiazan’ny mpitondra ankehitriny ny vahoaka Malagasy?”.Tsy eo amin’ny sehatry ny angovo, na ny famatsiana herinaratra ihany no mibaribary ny tsy fahombiazan’ny mpitondra, fa saika amin’ireo sehatra rehetra, izany hoe ny fitantanana ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny. Ny fandriam-pahalemana tsy voafehin’ny mpitandro filaminana intsony, na amin’ny tanan-dehibe, na any amin’ny tontolo ambanivohitra. Torak’izany koa ny vidim-piainana, tsy hita izay tena handraikitra raisin’ny fanjakana mba ho fiarovana ny vahoaka, fa mitazam-potsiny mijery ny fisondrotry ny vidin’entana eny an-tsena.
Mbola ho vitan’ny Malagasy ihany ve ny hihafy sy hiaritra an’izao fitondrana efa hiarahan’ny rehetra mahalala fa tsy mahita vahaolana hamoahana ny vahoaka ao anatin’izao fahasahiranana sy fahantrana lalina izao? Raha any amin’ny firenen-kafa, indrindra fa any amin’ireo firenena mandroso na andalam-pandrosoana, dia efa ela no niala teo amin’ny toerany ny filoham-pirenena.
F.T.