Farafangana: Nodoran’ny olona ny biraon’ny JIRAMA
Raha misy eto amin’ity firenena ity ny orinasa mahazo fanakianana be indrindra, ary matetika hiharan’ny fahatezeram-bahoaka, dia ny orinasa Jirama. Tofoka tanteraka amin’ny delestazy lavareny misy ao aminy ny mponina any Farafangana ka nodoron’izy ireo ny biraon’ny Jirama, ny sabotsy alina teo. Raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana, ny andron’ny zoma no efa tapaka ny Jiro manerana ny tanàna ary tsy mbola niverina ny sabotsy alina, tamin’ny fotoana nahamay ny biraon’ny Jirama . Tokony ho tamin’ny 6 ora hariva teo no nanomboka nidina an-dalambe ny vahoaka izay nifanentana tamin’ny kiririoka eran’ny tanàna. Rehefa vory lanina tao Amboanio izy ireo dia nanapakevitra ny hihazo ny biraon’ny Jirama, tsy nitaza-potsiny anefa ny mpitandro filaminana fa nihezaka nisakana sy nanaparitaka ny vahoaka nidina an-dalambe. Ny mpitandro filaminana izay voatery nanapoaka basy noho ny fahamaroan’ny olona. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany tamin’io fotoana io ka zandary 1 no naratra ary olona 5 no voasambotra. Tsy nahasakana ireo olona nitroatra ny mpitandro filaminana ka niafara tamin’izao fahamaizan’ny biraon’ny Jirama izao. Marihana fa kila forehitra avokoa ny entana rehetra tao amin’ity birao ity, tao anatin’izany ny solosaina, ny fanaka, ary atontan-taratasy maro. Raha ny fantatra dia vaky ihany koa ny vata fitehirizam-bola na ny “Coffre”, ka very tamin’izany ny lelavola 6 hetsy ariary. Teo amin’ny tohatry ny fiangonana EKAR Fenoarivo no nahitàna ilay vata fitehirizam-bola , ora maro taty aoriana. May tsy nisy noraisina ihany koa ny entan’ny “chef sous groupement” ny zandarimariam-pirenena ao Farafangana, Solofonirina Victorin, izay mipetraka ao amin’ity biraon’ny Jirama ity. Marihana fa ny fototra mahatonga ny fahatapahan-jiro lavareny ao amin’ity tanàna ity tato anatin’ny herinandro vitsy izay, dia noho ny fahasimban’ny “groupe” mpamokatra herinaratra miisa 3 ao an-toerana ka 2 sisa no mbola afaka miodina amin’izao fotoana izao. Mahatratra hatrany amin’ny 840 KW ny filana ao Farafangana kanefa 170 KW monja no vokarin’ireo “groupe” miisa 2 ireo. Ny azo antoka dia matoa miseho ny tranga toy izao, dia tsy misy ny fanazavana, na fifampiresahana amin’ny mpanjifa ka mampitombo ny fahasorenan’izy ireo. Marihana fa tsy vao izao no nisy ny biraon’ny Jirama nodoron’ny olona noho ny delestazy fa efa nisy ny tranga vitsy tahaka izao tany amin’ny tanàna hafa, isan’izany ny tao Toamasina tamin’ny taon-dasa. Tamin’ny faran’ny herinandro teo dia mbola namely mafy ny delestazy, teto Andrenivohitra sy tany amin’ny faritany rehetra tany, ary mbola naharitra ora maromaro mihitsy ny fahatapahan-jiro. Asa raha mba fantatry ny mpitondra eto amin’ity firenena ity tokoa ve ny fatiantoka ara-toekarena vokatr’ity delestazy lavareny ity? Ankehitriny dia maro amin’ireo olom-pirenena mpanara-baovao no milaza fa hinian’ny fanjakana potehina mihitsy ny orinasa Jirama mba afahana mivarotra azy tanteraka amin’ny vahiny. Tsy fantatra aloha izany na marina na diso fa ny zavatra hiarahan’ny rehetra mahita aloha hatreto dia mahita vahaolana mahomby hanarenana ity orinasam-panjakana ity ny fitondrana mijoro ankehitriny.
F.Tsihiavonana