Fotoam-pahavaratra: Tandidonin-doza i Antananarivo

Afaka tapa-bolana eo ho eo, araka ny fanazavana nomen’ny sampana mpamatatra ny toetr’andro , vao tena hanomboka ny fotoam-pahavaratra eto amitsika amin’ity taona ity. Raha ny fahitàna ny zava-nisy sy ny fahasiranana niainan’ny mponina eto Andrenivohitra ny sabotsy teo, dia tandidonin-doza tanteraka i Antananarivo amin’ity fotoam-pahavaratra ity noho ny fiakaran’ny rano. Vao rotsak’orana mafy indray mandeha no nisy ny sabotsy hariva lasa teo dia tsikaritra sahady ny fiakaran’ny rano tamina faritra maro teto Andrenivohitra, indrindra fa eny amin’ireo faritra iva. Azo antoka fa mety hitombo ny isan’ireo traboina amin’ity fotoam-pahavaratra ity raha hampitahaina ny tamin’ny taon-dasa. Mazava ny antony, tsy nisy ny asa goavana, na fananganana fotodrafitrasa lehibe nataon’ny kaominina sy ny fanjakana mba hisorohana ny fiakaran’ny rano eto Andrenivohitra, ny mponina anefa miha mitombo isa, ary ny miha betsaka ireo tanimbary voatototra. Raha raisina ohatra ny eny amin’iny faritra Andohapenaka sy ny “digue” hatreny amin’ny sampanana mankany Ambohitrimanjaka, dia tanimbary amina ekatra maro no nototofana nanamboarana ilay lalana vaovao izay natao handraisana ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia. Raha ny fanadiadiana natao teny anivon’ireo fokontany izay tena voakasiky ny fiakaran’ny rano isakiny fotoam-pahavaratra , dia zara raha nisy ny asa natao ho fisorohana ny fiakaran’ny rano fa ireo fotodrafitrasa efa nipetraka hatramin’izay ihany no nasiana fanamboarana kely. Dien’ny mbola tsy tafiditra tanteraka ao anatin’ny fahavaratra isika dia tokony hisy ny andraikitra sy fepetra lehibe raisin’ireo tompon’andraikitra rehetra voakasika amin’izany mba tsy ho be loatra ny isan’ireo traboina.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire