Mpanohitra: Nandamoka ny tetika rehetra hanongam-panjakana

Raha vao mihetsika dia antsoin’i Hery Rajaonarimampianina eny Iavoloha ny lohandohan’ny mpitarika tolona na fitakiana na koa grevy teto Antananarivo. Ny loharanom-baovao no milaza fa nampiantsoana teny Iavoloha ny lehibe mpitarika ny grevin’ny mpiraki-draharaha ny fitsarana, toa izany koa ny mpampianatra FRAM ary ny sendikan’ny mpitatitra olona eto Antananarivo sy ny manodidina. Mbola nampiantsoana koa ny mpandraharahan’ny fonja. Nisy ny fampanantenana nomena ireo olona ireo, ary misy milaza fa nisy koa ny fanomezana vola tamin’ireny olona ireny. Raha nidradradradra ny hanao fitokonana sy tsy ny hihemotra amin’ny fitakiana hataon’izy ireo intsony teo ampiandohan’ny fitakiana. Niova tampoka indray ny fanambarana an-gazety tamin’ny andron’ny filazana fa hanokafana ny fitakiana na dia tsy nisy aza ny vaha olana nomen’ny fanjakana azy ireo fa mbola fampanantenana toa ny mahazatra ihany no nomena ka miandry ny fanatanterahana izany indray hono. Samy nilaza izany avokoa ny lehiben’ny fikambanana ireo. Ny tao amin’ny sendikan’ny fitanterana aza dia nilaza ny ampahan’ny mpikambana fa tsy hampiakatra ny saran-dalana indray na dia nikiribiby fa matiantoka sy tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny ataon’ny fanjakana. Misy indray ny milaza fa avelao aloha ho vita ny fivorian’ny COMESA (varotra iombonan’ny firenena aty afrika atsinana), ary ny ampahany aza dia milaza fa mahantra indray hono ny vahoka ka avelao aloha hiandry kely. Samy manamafy koa ireto mpitarika tolona ao anatin’ny sendika ireto fa tsy misy resaka politika mihitsy ny tolona ataon’izy ireo. Fa angaha moa ny fitokonana sy ny fitakiana tsy raharaham-politika satria ny politikan’ny fanjakana mihitsy no tsy mahomby mahatonga izany? Ny fikambanana maneho hevitra sy manohitra ny tsy mety atao aminy dia sendikan’ny mpiasa fa ny tolona ataony dia tsy afa misaraka amin’ny politika velively satria raha tsy vokatrin’ny politikam-panjakana tsy lavorary dia nohon’ny tsy fanatanterahana ny fepetra takiana nohon’ny lalàna izay vokatrin’ny rafitra politika apetrakin’ny fanjakana tsizarizary no mahatonga krizy maro izao. Ny DFP (dinika ho fanavotam-pirenena) sy ny MMF (Malagasy mivondrona hoan’ny fanarenana ifotony) dia efa samy lany hevitra tanteraka fa tsy noraharahan’ingahy Hery Rajaonarimampianina koa ka tratran’ny ady mangatsiaka dia nihena an-toerana ny heriny ka raha nidradradradra koa fa tsy ilaina ny fivoriana ataon’ny COMESA sy ny Frankôfônia eto Madagasikara, na dia marina aza ny fomba fijerin’izy ireo amin’izany, dia io iarahana mahita io fa tanterakin’ny fanjakana ihany izany ankehitriny. Tsy nampihetsika ny volomaso ny filohan’ny repoblika sy ny mpitarika ao amin’ny HVM velively ny fitakiananataon’izy ireo tamin’ny fitarihana vahoaka ka ny filazana ny zavatra tsy mety eto amin’ny firenena ary ny fandrosoana vaha olana omen’izy ireo dia tsy misy vokany aloha hatramin’izao. Na dia mandeha dia mandeha aza ny resaka fa misy mpandray vola any Iavoloha sy amin’ny mpitondra fanjakana ao amin’ny HVM (Hery vaovao hoan’i Madagasikara) ireo mpitarika sasantsasany amin’ity hetsika ity dia tsy tokony ho vato misakana ny tolona izany satria zava nisy niainana teto Madagasikara hatramin’izay ny famadihana ny tolom-baohaka toa itony fa saingy tonga tany amin’ny farany hatrany ny fitakiana.

Raha zohina amin’ny antsakany sy ny andavany dia mbola malemy ny mpanohitra eto Madagasikara ankehitriny, ka na dia hita aza fa tsy mahay mitondra firenena sy anjakan’ny kolikoly avo lenta ataon’ny mpitondra sy ny manodidina azy sy ny fanodikodinana volam-panjakana ary ny fandrobana ny harem-pirenena izay efa ahitana ny fivarotana tanindrazana ny raharaham-pirenena ankehitriny. Asa indray izay zavatra hitranga amin’ny herinadro ity.

Ny sinoa no manjakazaka sy mahazo vahana eto Madagasikara ankehitriny ary tanan-kavan’ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina sy ny HVM ankehitriny ka manao izay tiany hataony eto amin’ny firenena. Azo lazaina aza fa natakalon’ny mpitondra ny mpandraharaha sinoa ny vahoaka Malagasy ankehitriny.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao

Commentaires   

0 #1 momo 18-10-2016 13:58
Aleo tsy manenjika ny sinoa intsony fa ny antsika no atao tsara e! Sady izao koa, io aloha no fitondrana misy eto, aleo izy hanao ny asany fa tsy finganina isaky ny mihetsika. Ny sasany angamba miandry kendri-tohana fotsiny hoe rahoviana io no handalo eto, anipazako akondro dia hibolisatra. Mila miova ny toe-tsaina fa tsy ny hanongana, handrava sy handrodana foana fa mba mila MANAMBOATRA, MANORINA koa e.
Citer

Ajouter un Commentaire