Depiote Jean Claude: Saika maty voapoizina

Raha tsy voatsabo ara-potoana dia tsy fantatra izay mety ho niafaran’ny solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’i Mandritsara avy amin’ny vondrona pôlitika MAPAR, Jean Claude Rajaozanany. Ity olom-boafidy ity izay nisy nanapoizina, ary raha ny fantatra, araka ny fanadihadiana natao, dia tao anaty “yaourt” nohaniny no nisy nanisy poizina. Ny fitiliana natao tamin’ireo sakafo, na ilay antsoina hoe “analyse toxicologique” no nanamarina fa tena nisy tokoa ny fikasàna hamono ity solombavambahoaka ity tamin’ny alalan’ny fanapoizinana ara-tsakafo. Soa ihany fa voatsabo ara-potoana ny depiote Jean Claude Rajaozanany satria raha ny filazan’ireo mpitsabo nandray azy dia mety niafara tamin’ny fahafatesana mihitsy izao fanapoizinana izao raha tara ny fitsaboana. Mbola tsy nisy aloha hatreto ny olona voasambotra, na voarohirohy tamin’ity raharaha ity ka sarotra ny hamantarana ny anton’ny fanapoizinana.                          

                F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire