Fitondrana Hvm: Manararaotra ny fahefam-panjakana hilalaovana volabe

Famotehana firenena sy fitetehana tombontsoa manokana. Izany no fehezan- teny azo ampiasaina amin’ity vaovao iray nivoaka omaly teto an-toerana ity, ary tena mampihivingivin-doha mihitsy satria ny fahefam-panjakana no ampiasain-dRajaonarimampianina sy ny firongony amin’izy io nefa ataony karazana tetik’asa tsy miankina izy io, saingy ampisalorana ny anarana hoe “tetik’asan’ny filohampirenena”. Amin’ny ankapobeny dia mitentina 500 Tapitrisa Euros ilay tetik’asa, ary hananganana trano avo antsoina  hoe “Suntower de Tananarive”. Izy io izany no ireharehan-dry zalahy mpiara-miombona antoka aminy fa trano avo indrindra aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina atsy ho atsy. Tanim-panjakana no hanorenana azy io ary homena hisoratra amin’olona tsotra io tany io. Tsikombakomba maloton’ny mpitondra no dikan’izany. Amin’ity tetik’asa ity moa izany Ingahy Rajaonarimampianina dia sady mpiantoka ara-moraly ny tetik’asa, noho izy filohampirenena mitana fahefam-panjakana, nefa koa dia  isan’ny mpandray anjara mavitrika amin’ny maha- mpampiasa vola, tompom-bola be indrindra azy amin’izy io, izay tsy amin’ny anaran’ny volam-panjakana fa hoe volany manokana. Loza izany! Raha ny akom-baovao dia tanim-panjakana etsy Alarobia no hanorenana ity trano be lafo vidy be ity, ary araka ny nofaritana etsy aloha dia misy tsikombakomba maloto ny fanomezan’ny fanjakana azy io an’ireo mpiara-miombona antoka amin’izy ity.

Voafaritra fa amin’ny fiandohan’ny taona 2018 no hahavitan’io tranobe io, izay hisy rihina 42 ka ny rihina 35 dia ho trano fonenana (habitations), izay endri-ponenana (appartements) hatramin’ny 140, ka hiorina eo ambony velaran-tany 36.000 m2. Ny toeram-piantsonan’ny fiara (parking) amin’izy io dia hahatratra 4.500 m2 ary ny seha-pandraharahana ara-barotra (plateau commercial) dia hanana halehibe 4.400m2, toeram-pandraharahana (birao) eo amin’ny 3.900m2 ary hisy efi-trano 2 fijerena sarimihetsika (salles de cinema).

Azo antoka izany aloha hatreto, raha miroso hatramin’ny farany amin’ity tetik’asa ity ry zalahy fa ho fitaovana iray hireharehan’ny Hvm ho zava-bitany ka ho isan’ireo singa hifotoran’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana hiandrandrany ny ho fiverenany eo amin’ny fitondrana amin’ny 2018 izy io, ary etsy ankilany, dia seha-pihariana iray mafy orina hiotazany tombontsoa manokana maharitra, na tsy ho eo anivon’ny fitondrana intsony aza ry zalahy. Ianao ve dia mihevitra fa raha tsy filoham-pirenena toa izao Ingahy Rajaonarimampianina dia hahavita an’izany na hanao inona na hanao inona?

Fa ny eritretritra iray tsy tana dia ny fahasahian-dry zalahy milalao ny fahefam-panjakana amin’ny anaran’ny fikatsahany tombontsoany manokana. Mazava a ho azy fa misy vola ifampiraharahana amin’ny anaran’ny firenena Malagasy izany ao satria ny fahefam-panjakana no ampiasain-dry zalahy. Na ilay toerana hanorenana azy io ihany aza dia efa tombontsoam-bahoaka (intérêt public) satria tanim-panjakana.

Raha mpandraharaha tena maty hanina ka fantatry ny mpitondra fanjakana ankehitriny fa tsy mitovy fomba fijery pôlitika aminy ve izao no mangataka na manolotra tetik’asa goavana toa izao dia hahazo rariny eo anoloan’ny fitondrana Hvm? Izay ilay endriky ny fanararaotam-pahefana (abus de pouvoir) ka anjaran’ny vahoaka ny manara-maso azy io, dia mba antenaina fa tsy hitazan-davitra fotsiny intsony fa hijoro handray andraikitra satria ny fahefam-panjakana ampiasain’ny sasany ange ka amin’ny anarantsika vahoaka nefa isika tsy mba misitraka ny ampara-tapitrisany amin’ny tombony otazan-dry zalahy amin’izy ireny akory e !

Ajouter un Commentaire