Foloalindahy sy ny pôlisy : natao hiaro ny vahiny fa tsy Malagasy

Tao anatin’ny tapa-bolana teo ho eo izay dia nandry ampilaminana ny ankamaroan’ny mponina teto Antananarivo sy ny manodidina. Nanomboka ny voalohan’ny volana oktobra 2016 ity dia hita fa nisy ny ezaka nataon’ny foloalindahy, dia ny miaramila sy ny zandary izany ary ny pôlisy tamin’ny fisorohana ny tsy fandriam-pahalemana manerana ny renivohitra. Miaramila manao fisafoana tsy an-kijanona no hita eran’ny tanàna. Na hatramin’ny fanamiana anaovan’izy ireny aza dia hita fa mbola vaovao avokoa. Hita mandeha toa izany koa ny zandary sy ny pôlisy. Feno azy ny toerana rehetra. Hatrany amin’ny elakelan-trano izay tsy ahitana ireny mpitandro ny filaminana ireny dia ahitana azy avokoa. Tsy ny atoandro ihany fa na amin’ny alina aza dia hita manao andiany maro mandeha an-tongotra izy ireny, milahatra manaraka fenitra tanteraka. Tsy ny miaramila mandeha an-tongotra ihany no hita mifamivoy etsy sy eroa, fa mampiasa fiarakodia ihany koa fanjakana mba hampandriana fahalemana ny tanàna aloha hatramin’izao. Vokatr’izany dia tsy hita hatramin’ny mpangaro-paosy sy ny mpanendaka ary ny mpanao sinto-mahery saika manerana ny renivohitra. Mba afaka mandry amim-pilaminana ny vahoaka amin’ny alina satria tsy afa-manao ny asa ratsiny ireo mpangalatra sy ireo mpandroba. Sambany tao anatin’ny taona maro izay vao nisy ny fandraisana andraikitra lehibe toa izao nataon’ny fanjakana, raha ity fiarovana ny fiainam-bahoaka ity no asian-teny raha ny eto Antananarivo sy ny manodidina no lazaina. Nahoana no tsy nanao toa izao hatramin’izay ny fanjakana? Izany no ady hevitra heno etsy sy eroa tao ho ao. Tsotra dia tsotra ny valiny satria izao fandaminana maty paika amin’ny tsy fandriam-pahalemana izao dia noho ny fisian’ny fivorian’ny COMESA (Varotra iombonan’ny firenena aty Afrika atsinanana) izay atao eto Madagasikara nanomboka ny faha 08 oktobra lasa teo ka tsy hifarana raha tsy ny faha 19 oktobra 2016. Hisy filoham-pirenena vitsivitsy ho tonga hanatrika ity fotoana ity. Mba hitandrovana mafy ireo vahiny ireo dia nanao ny tsy fanao ny fanjakana amin’ny alalan’ny fampihetsehana ny foloalindahy sy pôlisy ankehitriny.

 Voaporofo izao fa rehefa tian’ny fanjakana hatao ny fisorohana ny tsy fandriam-pahalemana dia azo atao tsara izany. Voaporofo koa fa ny vahiny no arovan’ny fanjakana kokoa noho ny Malagasy satria rehefa tonga ireto mpivory ireto dia nahavita nampandry fahalemana ny renivohitra ny fanjakana. Sarintsariny ihany anefa no hita satria tsy ny fiarovana ny Malagasy no tanjona fa rehefa vita ny fivoriana iraisam-pirenena io dia inoana fa hiverina amin’ny teo aloha indray ny raharaha.  Ny mpandinika ny fiainam-pirenena sasany aza dia milaza fa tokony hatao aty Madagasikara avokoa ny fivoriana iraisam-pirenena rehetra izay andraisan’ny Malagasy anjara, ka amin’izay dia miezaka miaro ny vahiny ireo ny mpitondra fanjakana ankehitriny dia mba voaaro koa ny Malagasy izay tsy noraharahaina mihitsy hatramin’izay. Ny raharahan’ny Soamahamanina dia mbola porofo koa fa ny vahiny no tian’ny fanjakana tarihin’i Hery Rajaonarimampianina arovana toa izay ny Malagasy. Efa tsy tenenina intsony ny tsy fandriam-pahalemana any Ambanivohitra satria ny dahalo sy ny mpangalatra omby no manjaka hatramin’izao. Tsy te hitady vahaolana amin’izany ny fanjakana fa mijery fotsiny ihany. Ny mpitandro ny filaminana indray aza no mitsoaka voalohany raha misy ny fanafihana ataon’ny dahalo any amin’ny faritra maro. Maro ny porofo azo lazaina mahakasika ny tsy firaharahan’ny fanjakana ny fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany manerana an’i Madagasikara raha toa ka ho tanisaina avokoa ireo tranga nisy. Soa ihany koa fa ho tonga indray ny fivorian’ny firenena miteny amin’ny ampahany na tanteraka ny teny frantsay amin’ny volana novambra 2016, ka mbola hitohy hatrany ny fitandroana ny fahalemana eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina azy. Izany no ilazana fa natao hiaro ny vahiny ihany ny foloalindahy sy ny pôlisy fa ny Malagasy atao ankila-bao.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao  

Commentaires   

0 #1 RAKOTO 19-10-2016 10:27
Ny mahagaga dia tany Ambatofinandrahana ( Amoron'i Mania ) dia noterena handoa vola 25 millions sy vary ny vahoaka mahantra vao tonga tany ny miaramila hampandry tany ,fa hoe vola hividianana sakafo ho an'ireo miaramila ireo. Fa nahoana teto Antananarivo no tsy mba nanaovana izany ? Fantatrareo ny antony ô !
Citer

Ajouter un Commentaire