Soarano: Trano fivarotana lehibe iray nakaton’ny kaominina
Trano lehibe iray, misy rihana telo ary mitondra ny anarana hoe “FARHI”, no nakaton’ny kaominina Antananarivo renivohitra, omaly vao maraina. Saika toeram-pivarotana avokoa no misy ao amin’ity trano ity, manomboka any amin’ny rihana farany ambany, hatrany amin’ny rihana fahatelo. Raha ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina, dia tsy azo onenana intsony ny trano satria efa simba tanteraka, ao anatin’izany ny rindrina izay efa mitritra sy mando, ny fantson-drano tsy afaka ampiasaina intsony, ary ny tafon-trano efa simba tanteraka. Ankoatra izay dia tsy mifanaraka amin’ny fenitra ny lalàna mifehy fahasalamam-bahoaka, na ny “Code de la santé publique” ity trano ity. Marihana fa ny tompon-trano mihitsy no nitaraina teo anivon’ny kaominina, ary tao aorian’izay no nidina nijery ny zava-misy marina teny ifotony ny teknisianina eo anivon’ny DJC (Direction Juridique et contentieux). Herinandro vitsy mialohan’izao fanakatonana ny trano izao dia efa nisy ny fampilazana nataon’ny kaominina tamin’ireo mpanofa trano rehetra mba hiala ao amin’ity toerana ity. Tsy miverina misokatra moa ny trano raha tsy vita daholo ny fanamboarana rehetra.
F.Tsihiavonana