Ramakavelo Desiré: Tsy misy antony namoahana ireo « Tank »

Hatairana ny an’ireo mponina teto Andrenivohitra omaly raha nahita ireo  “Tank”, na fiara mifono vy an’ny tafika izay napetraka amoron-dalana teny Talatamaty, Andohatapenaka, ary Anosizato. Taitra avokoa ny olona izay nandalo tamin’ireo toerana ireo satria toe-javatra tsy dia mahazatra ny mponina eto Andrenivohitra loatra ny mahita ireny fiara mifono vy fentina miady ireny raha tsy ny andron’ny 26 jona, mandritra ny matso tanterahina eny amin’ny kianjan’ny Mahamasina. Maro ny olona no nametra-panontaniana, misy hanafika ve ny firenena? Sa hiakatra andrenivohitra ny dahalo? Raha tsy ireo mpanara-baovao tsy nahafantatra avy hatrany fa noho ny fahatongavan’ireo olo-manan-kaja maro, sy filoham-panjakana avy any ivelany eto Antananarivo amin’izao fotoana izao no antony namoahan’ny fanjakana ireto fiara mifono vy ireto. Tamin’ny ankapobeny, raha ny fanadihadiana natao, dia tsy ankasitrahan’ireo olom-pirenena loatra izao fihetsika ny fanjakana izao satria tsy ao anaty  tany miady  ny firenena Malagasy ka hamoahana ireny fitaovam-piadiana ireny. Mitovy hevitra tanteraka amin’ireo olom-pirenena nanontaniana ny jeneraly misotro ronono Ramakavelo Desiré, izay minisitry ny Fiarovana teo aloha. Ho an’ity manam-boninahitra eo anivon’ny Tafika Malagasy ity dia tsy misy ny antony tokony namoahana ireo fiara mifono vy ireo raha toa ka ny fivorian’ny COMESA izay tanterahana eny amin’ny CCI Ivato no harovana. Lasa miteraka tahotra sy horohoro eo amin’ny vahoaka ny fahitàna ireny fitaovam-piadiana ireny ka tokony tsy navoaka. Efa tsy mandry ny sain’ny Malagasy amin’izao fotoana izao noho ny tsy fandriam-pahalemana kanefa mbola manampy trotraka izany ny fisian’ireny fiara mifono vy eny amoron-dalana ireny, hoy ny Jeneraly Desiré Ramakavelo. Raha toa ka tsy maintsy nandray izay fepetra izay ihany ny fitondrana, mba hahazo antoka tsara kokoa ireo olom-panjakana ambony maro izay tonga eto amintsika amin’izao fotoana izao, dia tokony nisy ny fampilazana andro maromaro mialoha tamin’ny vahoaka mba hialàn’izay tahotra sy horohoro izay, hoy ihany ity jeneraly avy amin’ny tafika efa misotro ronono ity.                                                                                             

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire