Comesa: Nalain’ireo “gena” baraka i Madagasikara
“I Manga no nantsoina ka ny ako no nanoina, fa nankaiza i Manga no tsy nanoina?”Tsaroana avy hatrany io hiran’ny mpanao vakodrazana nalaza teto Madagasikara io. Miteny ho azy ny zava-misy amin’ny fivoriana ataon’ny COMESA (varotra iombonan’i Afrika atsinanana) eto Antananarivo nanomboka ny faha 08 oktobra 2016 lasa teo. Fihaonana an-tampony no iantsoina azy ity satria ny firenena rehetra mpikambana izay miisa 19 no nandrasana. Novinavinaina ho 1000 ny mpandray anjara amin’ity fihaonana ity ary filoham-panjakana sy filoham-pirenena afrikanina (gena) 19 no nandrasana amin’izany handray ny fanapahan-kevitra farany avy amin’ny fehin-kevitra natolotr’ireo teknisianina izay efa niasa tao anatin’ny herinandro mahery teto Madagasikara. Ny omaly faha 18 sy anio faha 19 oktobra 2016 no nisy ny fivoriana izay tokony handraisan’ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana mpikambana anjara amin’ity raharaha ity. Indrisy anefa ry Madagasikara fa iray ihany ny filoham-panjakana tonga tamin’ireo 18 nandrasana. Ingahy Hery Rajaoanarimampianina izay filoham-pirenena Malagasy no faharoa amin’izany. Ireto avy ireo filoha sy mpanjaka tonga mba namaly ny antson’ny firenena Malagasy ireo amin’izao maha filoha an’ingahy Hery Rajaonarimampianina izao: Ny mpanjaka Mswati III avy ao Malawi dia niala bala ka tsy tonga na dia efa nankalazaina aza. Malatu Teshome filoham-pirenen’i Ethiopie izay tokony ho tonga nefa ny minisitra indray no nisolo azy tamin’ny ora farany. Nihemotra tamin’ny ora farany koa i Edgar Lungu filoham-pirenen’i Zambie. I Robert Mugabe izay filoham-pirenen’i Zimbabwe sisa no tonga. Tsisy tonga avokoa ireo filoham-pirenena 17 hafa hatramin’ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity. Raha tiantsika ho fantatra dia ireto avy ny firenena mpikambana ao amin’ny COMESA ka tokony ho tonga eto Madagasikara: Angola, RD Congo, Erythrée, Namibie, Soudan, Ouganda, Burindi, Djibouti, Ethiopie, Malawi, Rwanda, Swaziland, Zambie, Comores, Egypte, Kenya, Maurice, Seychelles, Tanzanie Zimbabwe ary i Madagasikara. Fa maninona no ireo ihany no filoham-pirenena namaly ny antso amin’ny fivorian’ny COMESA eto Madagasikara? Azo adika ho tsy firaharahaina ny fanjakana mitondra eto amin’izao fotoana izao izany. Raha toa ka nanome voninahitra sy manaiky ny fitondrana Malagasy misy amin’izao fotoana izao ireo firenena ireo dia nataony izay hahatongavany hamonjy io fivoriana io. Azo adika ho tsy fanekena ny zava-misy eto Madagasikara koa izany. Ary raha alefa lavidavitra aza ny fomba fijery dia fanalam-baraka ny mpitondra sy ny firenena Malagasy tanteraka izao tsy fanatrehan’ny filoham-pirenena ny fihaonana tampon’ny COMESA izao. Amin’ny diplaomasia dia miseho amin’ny fomba ankolaka ny tsy fanekena zavatra iray. Toa ny olona manasa vahiny ireny na manao fanasana ka raha ny ray aman-dreny no tonga mamaly ny antso dia hafa izay ny dikany ary raha ny zanaka indray no alefany dia efa mampiahiahy ihany ny fifandraisana, ary raha toa ka olon-kafa na sanatria ka mpiasa ao an-trano no alefa dia efa midika zavatra hafa tanteraka izany.
Toa izany no fahitana ny fivorian’ny COMESA amin’izao fotoana izao eto Madagasikara. “I Manga no nantsoina ka ny ako no nanoina, fa nankaiza i Manga no tsy nanoina?” Aoka isika samy handinika avokoa. Hanao ahoana indray izany ny filoham-pirenena ho tonga amin’ny fihaonana an-tampon’ny firenena miteny frantsay na ny ampahany amin’ny volana novambra izao. Voalaza sy atao fampielezan-kevitra mafy fa 80 no filoha andrasana eto ka firy indray no ho tonga? Sa ve dia hanao 1/18 toa ny amin’ny COMESA ihany koa no naoty ho azo? Tena fanalana baraka ny firenena Malagasy mihitsy izany! Sao dia tokony hiala tao amin’ity COMESA toa an’i Lesotho tamin’ny taona 1997, i Tanzanie sy Angola tamin’ny taona 2000, ary Namibie tamin’ny 2004 i Madagasikara? Ary sao dia tokony ho foanana koa ny fihaonana an-tampon’ny frankôfônia fa ahiana mafy koa ny fanalam-baraka toa izao ho an’i Madagasikara ?
Nangonin’i
Jesy Rabelaolao