Fitrandrahana any Fandriana: Tafatsangana ny komity manohitra ny Sinoa

Tafatsangana, ary nampafantarina tamin’ny fomba ofisialy tao Fianarantsoa ny talata 18 oktobra lasa teo ny komity izay hivondronan’ireo terak’i Fandriana, ao amin’ny faritra Amoron’i Mania, ary manohitra ny fitrandrahan’ny Sinoa volamena any amin’ny tanindrazany. Raha ny tena marina dia ao amin’ny kaominin’i Tsarazaza, distrikan’i Fandriana, no mikàsa ny hitrandraka volamena ny Sinoa ary efa nahazo ny alalana mitrandraka avy amin’ny fanjakana. Marihana fa ny herinandro lasa teo no nanao fivoriana tao amin’ny tanànan’i Fianarantsoa ny fikambanan’ireo terak’i Fandriana, ary tamin’io fotoana io no efa nanaovan’izy ireo fanambarana iombonana amin’ny tsy maintsy hijoroan’ity komity ity. Na inon-kidona na inon-kihatra, dia tsy hanaiky hatramin’ny farany an’io fitrandrahana ho kasain’ny Sinoa ho atao io ny terak’i Fandriana, raha ny nambaran’ireo mpikambana ao anatin’ny fikambanana tao anatin’ny fanambarana. Raha ny fanazavana nomen’ireto farany, tsy mijanona ao amin’ny kaominina Tsarazaza ihany ny fitrandrahana volamena ho ataon’ny Sinoa fa miitatra amina kaominina vitsy mifanakaiky amin’ny faritra Vakinankaratra. Andro vitsy lasa izay no efa nanomboka nanao ny fitsirihana amin’ireo kaominina hafa ireo ilay orinasa hanao ny fitrandrahana. Hisy ny paik’ady entin’ny fikambanana hanoherana izao fitrandrahana ho ataon’ny Sinoa izao, ao anatin’izany ohatra ny fidinana ifotony hifampidinihana amin’ireo ben’ny tanàna sy ireo manam-pahefana amin’ireo kaominina voakasika, ary ny fanentanana faobe ny Malagasy mba hanambatra ny hery ho fanamafisana ny fanoherana atao. Mbola tsy nisy moa hatramin’ity androany ity ny fihaonana mivantana teo amin’ireto terak’i Fandriana ireto sy ireo olom-panjakana any an-toerana, ao anatin’izany ny solombavam-bahoaka.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire