Taxi eto Andrenivohitra: Nitokona tetsy Ankorondrano

Fiara taxi am-polony maro, izay miasa eto Andrenivohitra,  no nitokona tetsy Ankorondrano omaly noho ny tsy fankasitarahan’izy ireo ny fanapahan-kevitra sy ny didy raisin’ny kaominina momba ny asan’izy ireo. Tsy eken’ireo tompona fiara taxi , na ireo mivelona amin’ity asa fitaterana ity ny fikàsan’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo amin’ny hanomezana ny ivon-toerana fanaovana ny « Contre-visite » ho tantanin’ny orinasa tsy miankina. Ho fiarovana ny tombotsoan’ireo matihanina dia hanangana sendika lehibe ireo mpampiasa taxi eto Andrenivohitra. Ny zoma faha 4 ny volana novambra izao no hanatanteraka fivoriambe izy ireo, ary amin’io fotoana io no hananganana ny sendika amin’ny fomba ofisialy. Etsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina moa no hanaovana io fivoriambe io raha ny fantatra. Marihana fa ankoatra izay fanomezana ny tsy miankina ny fitantanana ny ivon-toerana fanaovana ny “contre-visite” izay, dia mbola misy ihany koa ny didy navoakan’ny kaominina no tsy hankasitrahan’ireto mpampiasa taxi ireto. Anisan’izany ohatra ny fanerena azy ireo tsy maintsy hametraka fimailo ao anatin’ny fiara ampiasaina.

F.T.

Mpanohitra: Vao antsoina eny Iavoloha dia tsy mahaleo lamba

Mampalahelo, tena mampalahelo ny mpanao pôlitika sasantsasany amin’ireo milaza azy ireo fa mpanohitra amin’izao fotoana izao. Milaza fa miaro ny vahoaka sy ny fampahantrana azy. Miady amin’ny kolikoly sy ny fanararaotam-pahefana, ary manohitra ny fivarotana tanindrazana ataon’ny fanjakana ankehitriny ary miaro ny vahoaka amin’ny fanagiazana azy koa. Maro dia maro ny kabary eny an-kianja ataon’ireo mpanohitra. Tsy hay tenenina intsony ny fiantsoana mpanao gazety amin’ny alalan’ny valan-dresaka. Atao mipoapoaka izay tsy izy ny fanambarana an-gazety ilazana ny zavatra tsy mety eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Ny asan-dahalo sy ny asan-jiolahy ary ny fahantrana mihoa-pampana izay tanisain’izy ireo dia marina avokoa, ary mbola maro aza no tsy voalaza. Indrisy anefa fa afaka fotoana fohy dia mangina indray ilay milaza azy fa mpitolona miaro vahoaka. Fantatra ankehitriny fa antsoin’ny eny Iavoloha izy ireny, ka mandeha manokana antsokosoko eny. Rehefa avy miresaka eny dia mipirina ary tsy miseho intsony. Avela eo ireo olona maro izay notaritina. Izany no zava-misy ankehitriny. Tsy mahatan-damba intsony izy ireny raha vao omena vola sy ampiakarina an-dapa. Ny ankamaroany aza hono miandry ny fanovana ny governemanta mba hahazoana toerana. Ny vahoaka no atao takalon’aina miady amin’ny baomba mandatsa-dranomaso amin’ny Emmo/Reg. Izany no zava-misy ankehitriny. Lalaovin’ny mpitondra fanjakana fotsiny ihany izy ireo. Na dia marefo sy malemy ary tsy mahay mitondra firenena ny fanjakana tarihin’ingahy Hery Rajaonarimampianina ankehitriny dia azo lazaina fa ny mpanao pôlitika sandoka sy mpikarama an’ady koa no manohitra azy. Milaza fa samy hanao fanarenana ifotony avokoa izy rehetra ireo, nefa tsy mahari-boan-kena ka raha vao antsoina dia mihazakazaka tsy maharay lamba akory. Tsy mahagaga raha toa ka somary marisarisa ny mpanaraka azy ireo.

 JB

Ajouter un Commentaire