Inty sy Nday: Kapao izay manimba ny tany e !

Nitana ny fisainan’ny maro izay nanatrika ny hafanan’ny ady hevitra sy fifanakalozana fomba fijery teo anivon’ny “Tolona Fanorenana Ifotony” tarihin’i Joseph Yoland sy Rasolofo René ary Solonavalona Andriamihaja, sy ireo olona avy amin’ny fikambanana sy seha-pandraharahana marolafy, ny avy amin’ny firaisamonim-pirenena… ny talata teo, tetsy Antaninarenina.

Ady hevitra nifototra tamin’ny fomba hoenti-mampihatra ilay boky mirakitra ny hevitra hoenti-manavotra sy manarina ary manova an’i Madagasikara dia ilay “Madagascar le changment”, izy io. Ny foto-kevitra nivoitra moa dia ny tsy maintsy hirosoana amin’ny fanorenana ifotony ny firenena. Izany hoe “miainga any anivon’ny fiaraha-monina fototra, dia ny rafi-pokonolona, na ny fotodrafitrolona, hoy i Dama Mahaleo, ny ady hevitra sy ny fandrafetana ny fepetra rehetra hirosoana, mba hahafahana miantoka ny tena fampandrosoam-pirenena sy tena fanalana ny vahoaka ao anatin’izao fahantrana mianjady aminy izao.”

Isan’ny niverimberina tao anatin’ny hevitra novelabelarin’ny maro ny andraikitra tsy azon’ny rafi-pampanjanaham-bola iraisam-pirenena ihodivirana ka nahatonga ny firenena Malagasy amin’izao toerana lalina anaty fahantrana sy fahapotehana misy azy izao. Tsy afa-bela koa ireo vahiny nambara fa mpampiasa vola tonga teto, izay tsy nanao afa-tsy ny fandrobana ny harem-pirenena teto. Ary tsy ny kely indrindra tamin’ny tompon’andraikitra niteraka izao fahavoazan’ny firenena izao ireo mpitondra fanjakana nifandimby nitantana teto sy ny rafitra nisy izay nanamora ny fampiharan-dry zareo ny pôlitika niankohofany avy, dia ny pôlitikan’ny fanararaotam-pahefana sy fanomezana vahana ny vahiny. Noho izany, hoy ny mpandahateny isany, na Rasolofo René na Ralison Roger na Joseph Yoland na ny hafa maro, dia marim-pototra loatra raha mandray andraikitra amin’izay ny vahoaka satria izy ireo no tompon’ny fahefana  ka izy ireo no tompon’ny fanapahana eto. Raha tiana ny hitondra ny firenena ho any amin’ny tena fiovana sy fiorenany vaovao avy any ifotony dia tsy maintsy kapaina sy ongotana ary ravaina sy potehina ary fongorina ifotony mihitsy izay rafitra sy pôlitika nampiharina ary ny olona nampihatra izany ka niteraka izao fahantrana lalina izao. Miara-tompon’andraikitra amin’izany koa ny mpampanjana-bola avy any ivelany.

Etsy ankilany, nomen-janahary harena tsy hita noanoa ary tsy takatry ny fisainana sandaina isika eto Madagasikara, hoy ireo rehetra nandray fitenenana, ka izany no ndeha hianteherana ho amin’ny fampahombiazana ny tena fanorenana ifotony fa ampy izay nampijaliana antsika vahoaka nandritra ny 120 taona naha-zanatany antsika malagasy izay.

Faralahy

Ajouter un Commentaire