Ramakavelo Desiré: Misavoritaka ny fiainam-pirenena
Tsy mitsahatra ny mitombo ny tsikera mahazo ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana izao noho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fahitàna vahaolana amin’ireo olana maro misy eto amin’ity firenena ity. Tamin’ny alahelo tanteraka no nanehoan’ny jeneraly misotro ronono Ramakavelo Desiré ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, na eo amin’ny lafiny pôlitika, na eo amin’ny lafiny toekarena, indrindra fa ny lafiny sosialy. Misavoritaka tanteraka ny fiainam-pirenena noho ny tsy fahombiazan’ny mpitondra ary porofo mivaingana azo raisina ny fisian’ny delestazy izay mampimenomenona fatratra ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Maro ireo olana eto amin’ny firenena kanefa tsy manao afa-tsy ny fialàna andraikitra ny mpitondra izay tokony hikaroka vahaolana amin’ny fomba rehetra. Tsy ny delestazy ihany fa hatramin’ireo fitokonana sy fitakiana etsy sy eroa, dia mampiseho fa tsy voafehin’ny mpitondra intsony ny fitantanana ny raharaham-pirenena araka ny tokony ho izy. Milaza tsy manam-bola ny fanjakana kanefa tsy misy fiafarany ny fandaniam-bola fahatany ataon’ireo mpitantana ity firenena ity, hoy ihany ny jeneraly Ramakavelo Desiré.
F.Tsihiavonana