MLE: « Ampanjakao ny mangarahara »
Nanao ny fivoriambeny omaly tao Antanimena ny Hetsika ho amin’ny fahalalahana maneho hevitra na « Mouvement pour la liberté d’expression = Mle ». Tamin’izany no nanapahan’ny mpivory ny fitakiana amin’ny fitondram-panjakana ny hampanjakana ny mangarahara momba ireo haino aman-jery vaovao vao nisokatra tato anatin’ny herin-taona eo izao, izay saika manakaiky ny fitondrana avokoa. Miahiahy ny maro fa misy resaka kiantrano an-trano amin’ny fanomezana alalana an’izy ireny hisokatra, izay tena fandikana ny foto-kevitra hoe « mitovy ny tsirairay eo anoloan’ny lalàna sy eo anatrehan’ny fanjakana ». Tokony hitovy zo ny fitantanana, ka rehefa misy fanomezana alalana ny hafa dia tokony hahazo alalana toa izany avokoa ny rehetra rehefa mahafeno ny fepetra takian’ny lalàna.
Mitaky fanazavana avy amin’ny fitondram-panjakana koa ny « Mle » momba ny fanakorontanana sy fingampingana manjo ny hainao man-jery hafa amin’ny alalan’ny « brouillage », ka tsy ahafahan’izy ireny miampita araka ny tokony ho izy any amin’ny mpanjifa na ny sary na ny feo. Nivoitra manokana tamin’izany moa ny momba ny haino aman-jery « Mbs ».
Isan’ny nivoitra tao amin’ity fivoriana omaly ity koa fa hisy ny fandaharana miara-manonja amin’ny haino aman-jery aman-gazety miara-dia ao amin’ny « Mle » ny zoma izao hitaterana ny zava-miafin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany eto Madagasikara. Isan’ny fampanantenana nataon’ny « Mle » tamin’ny vahoaka ny hitondra sy hamoaka an’ireo « antontan-taratasy goavana » (grand dossier) ka io amin’ny zoma io ny voalohany.
Nomelohin’ny « Mle » koa ny herisetra nianjady tamin’ny namana tao amin’ny Gazety « Free News » tamin’ny sabotsy, izay voalaza fa mpitandro ny filaminana no nahavanona izany. Nitaky fialan-tsiny ampahibemaso avy amin’ny fianakaviamben’ny mpitandro ny filaminana momba izany ny «Mle».
Rahampitso alakamisy moa dia fantatra fa hanohy hitatitra ny akon’ny hetsiky ny mponin’i Soamahamanina ny mpiara-dia ao amin’ny « Mle », ka mampiomana ny rehetra sahady fa ho afaka manaraka mivantana ny fivoaran’ny raharaha any Soamahamanina amin’ny alalan’ireo onjam-peo eo anivon’ny « Mle » ny rehetra.