Delestazy lavareny: Miantso ny vahoaka hihetsika ny “Wake Up Madagascar”

Diso tafahoatra loatra ny fahatapahan-jiro misy manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao ka tsy tokony ho ekena intsony. Tsy natao hiaina ao anaty aizina ny vahoaka Malagasy, indrindra fa ireo mpanjifa ny orinasa Jirama izay mandoa ny faktiora ara-dalàna tsara. Manoloana izany indrindra dia tsy hitazam-potsiny ny fijaliana hiainan’ny mponina noho ny delestazy ny “Wake Up Madagascar”, ary nanapa-kevitra ny hanentana ny vahoaka hihetsika. Ny “Wake Up Madagascar” izay tsiahivina ihany fa fikambanana ivondronan’ny olom-pirenena tsotra mandray andraikitra eto amin’ny firenena. Tsy vao sambany akory no manetsika vahoaka tahaka izao ny fikambanana fa tamin’ny taona 2014 dia efa nisy ny hetsika nataon’izy ireo tetsy Anosy, nanoherana ny delestazy. Vitsy anefa ny olom-pirenena no nanohana ny hetsika tamin’io fotoana io ka tsy nisy intsony taty aoriana.  Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fanentanana olom-pirenena ataon’ny fikambanana “Wake Up Madagascar” amin’ny alalan’ireny tambazotran-tserasera ireny. Hatreto dia tsy mbola misy aloha ny daty voatondro hanaovana izay hetsika lehibe hiantsoana ny vahoaka izay. Asa raha ho betsaka ireo olona hamaly ny antso amin’ity hetsika manaraka ity raha toa ka tena ho tanteraka tokoa izany. Ny mahagaga eto amin’ity firenena ity, indrindra fa ny eto Andrenivohitra, tsy misy izay tsy mimenomenona noho ny resaka delestazy kanefa rehefa misy ny fikambanana mijoro sy miantso ny vahoaka hanohitra izany dia zara raha misy tonga mamaly antso.

F.Tsihiavonana

EPP Ambohipo: Tsy manaiky ny fanesorana ny tale ny ray aman-drenin’ny mpianatra

Omaly maraina, araka ny daty voatondro, no tokony nanaovana ny famindram-pahefana teo amin’ny talen-tsekoly vaovao avy notendrena sy ny tale mbola am-perinasa etsy amin’ny EPP Ambohipo. Tsy tanteraka anefa ny famindram-pahefana nokasaina natao rehefa nosakanan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra maromaro izay tonga nitokona teo amin’ny tokontanim-pianarana. Ireto ray aman-dreny ireto izay tsy manaiky ny hanesorana ny talen-tsekoly efa niasa nandritra ny herintaona mahery teo. Tao anatin’izay fotoana fohy nitantanan’ity tale mbola am-perinasa ity dia nahatsapa ireo ray aman-drenin’ny mpianatra fa nisy ny fiovàna lehibe tao amin’ity EPP Ambohipo ity. Anisan’ireo fiovàna hita ohatra, ny fahadiovan’ny sekoly hatrany amin’ny WC, tsy tapaka mihitsy ny sakafo omena ny ankizy na ny “Cantine Scolaire”, ary tsy misy mihitsy ny fandoavam-bola rehefa misy ny taratasy karakaraina, raha ny filazan’ireo ray aman-dreny mitokona.  Etsy ankilany, tsy dia ahitàna ankizy mirenireny firy intsony eny Ambohipo satria lasa mamonjy sekoly avokoa noho ny ezaka nataon’ny tale am-perinasa. Hatramin’ny fari-pahaizan’ny mpianatra dia hita fa nisy nihatsara tao anatin’ny herintaona monja. Marihana fa notendrena hitantana sekoly any amin’ny toerana hafa ity tale niasa nandritra ny herintaona ity ka izay no antony tsy maintsy hialàna ao amin’ity EPP etsy Ambohipo ity.

F.T.

Ajouter un Commentaire