Fandrobana vakoka: Nampiaka-peo ny taranaka Antongona
Ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo raha tsiahivina no nisy namaky ny Rovan’Antongona eny Atsimondrano. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io ny lefona fibaikoana, ny basy lava, ny ody vitsivitsy niaraka tamin’ny vangim-boay, ary ny boatin-drakitra sy ny famonoana afo. Manoloana izany fandrobàna sy fanimbazimbana ny vakoka izay dia nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ireo solontena avy amin’ny taranaka Antongona ary manameloka tanteraka ny fandrobàna nisy tao amin’ity rova ity. Tsy azo ekena ny fanitsakitsahana sy tsy fanomezana hasina ny vakoka maha-Malagasy ka tokony ho mafy ny sazy hahazo ireo tompon’antoka tamin’izany. Ny taranaka Antogona izay manameloka ihany koa ny finiavan’ny sasany hamahan-dalitra ny taranaka Malagasy amin’ny familiviliana ny tantara ka manosihosy ireo vakoka navelan’ny razana. Ireto farany izay mitaky ny tokony hisian’ny famotorana sy fanadihadiana lalina mba ahafantarana ireo nahavan-doza, ary mba ahatafaverina avokoa ireo vakoka norobaina. Tsy vao izao no nisy fahaverezana sy fandrobàna vakoka teto amin’ity firenena ity ka tsy tokony hiafara tahaka ireo raharaha rehetra tany aloha tany ity famakiana ny Rovan’Antogona ity, hoy ihany ireo zanaka ampielezana avy any amin’iny vohitr’Antogona iny.
F.Tsihiavonana