Inty sy Nday: Voafitaka indray !

Mety hiverina hitokona indray ny mpiraki-draharaham-pitsarana satria nahatsiaro ho nianjadian’ny kobaka am-bava sy ny fampanantenana poaka aty avy amin’ny filohampirenena.

Tamin’ny ankatoky ny fivorian’ny Comesa ireny no nanapa-kevitra hitokona ry zareo mpiraki-draharaham-pitsarana. Nifanindran-dalana tamin’izany ny fitokonan’ny mpampianatra mpanabe sy ny mpandraharahan’ny fonja.

May volon-tratra ny teny anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ka nampiantso an’ireo mpitokona mba hampitsahatra ny fitokonany fa hoe « horaisiko an-tanana ny fijerena sy famahana ny olana » (tenin’ny filohampirenena io, hoy ny avy amin’ny sendikan’ny mpiraki-draharaham-pitsarana, raha nandray an’ireo sendikan’ny mpiasa isan-tsokajiny teny an-dapa izy).

Dia tsy nanohy ny fitokonana izahay fa nanohy ny asanay toy ny andavanandro, hoy ny avy amin’ny sendikan’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana.

Mandrak’ity anefa ny androany, tsy hita voaka ny endriky ny finiavan’ny fitondram-panjakana na ny filohampirenena hamaha ny olana sy hijery ny maharary an’ireo mpiasam-panjakana nitaky sy nitokona, ka isan’izany ny mpiraki-draharaham-pitsarana. Tena voafitaka indray e !

Tsy voalohany akory ny sokajin’olona maro no sendra izao nahazo ny sendikan’ny mpiraki-draharaham-pitsarana izao. Ny vahoaka malagasy mihitsy no efa nofitahiny tamin-javatra maro, ary isan’izany ity resaka delestazy ity.

Enga anie ho tsapan’ny tsirairay ny hoe « raha indray mandeha no voafitaka dia mety ho tsy fahafantarana, raha indroa na in-telo kosa dia tena fahavendreanana, sanatriavina. »

Ny mpiasampanjakana amin’ny ankapobeny, na mpampianatra mpanabe izy na mpiraki-draharahan’ny fitsarana na mpandraharahan’ny fonja, na mpiasan’ny Jirama, na mpiasan’ny Air Mad, na iza na zovy dia isan’ny vahoaka malagasy  ka asa  na tsy mbola nahatsapa ny famitahana efa nitranga teo aloha na nanantena inona fa izao voafitaka izao indray vao toa tonga saina. Tsy ifandatsana, sanatriavin’ny vava, izany na ifanomezan-tsiny, fa isariham-pisainana hoe « akoho tsy naneno toa izay lanin’ny kary » e !

Ralay

Ajouter un Commentaire