Fitrandrahana volamena: Hopotehin’ny fanjakana ireo vahoaka madinika mpanivana ?
Isan’ny didim-panjakana nahazo fankatoavana teo anivon’ny fivorian’ny filankevitry ny governemanta ny talata teo ny volavolan-didim-panjakana izay manitsy sy mameno ny didim-panjakana 2015-805 tamin’ny faha-5 may 2015 izay mamaritra ny fombafomba itantanana ny antsoina hoe «compte de commerce » ka miresaka ny «fanenjehana ny fandikan-dalàna momba ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany sy akoran’afo» (repression des infractions minières et hydrocarbures).
Mazava ho azy fa taorian’ireny ady hevitra nafana sy tsy mbola mifarana momba ny fisian’ireo teratany vahiny miely patrana manerana ny nosy mitetika hitrandraka volamena no tsinjo fa antony nanaovana an’ity didim-panjakana vaovao ity. Satria ny fitondram-panjakana no manome alalana an’ireny vahiny ireny saingy tsy ankasitrahan’ny vahoaka, dia miandry kendry tohina an’ireo vahoaka izay hanohy ny fanivanana volamena amin’ny faritra efa nihariany an’izany, ohatra ny mpitondra, ka hofaiziny mafy izy ireny.
Ny any Soamahamanina moa no tena ahitana taratra azy io satria ireo mponina manohitra ny fanomezana alalana nataon’ny mpitondra fanjakana an’ireo vahiny sinoa no nanivana volamena hatrizay tao amin’ny reniranon’Ikalariana, ka rehefa lasa ireto Sinoa dia mety hiverina hanivana ny fokonolona, ka efa arangarangan’ny mpitondra ny ho fanenjehana azy ireo satria hoe tsy ara-dalàna.
Fa ireo fitrandrahana nanomezan’ny fitondram-panjakana alalana an’ireo vahiny ve moa mba ara-drariny ka mba nisy tombontsoa mivaingana tonga tany amin’ny vahoaka ? Eny hatramin’ireo ambara fa tetik’asa lehibe momba ity harena an-kibon’ny tany ity ka ikirakiran’ny orin’asa misahana azy vola hatramin’ny 5.000 tapitrisa dôlara, ary nahazoany alalana tamin’ny mpitondra fanjakana eto. Moa ve tena mba ara-drariny ary nitondra tombontsoa araka ny harena voatrandraky ry zareo ho an’ny firenena malagasy ?
Ny marina dia ara-dalàna ny fitrandrahana eto rehefa nahatolotra volabe ho an’ny mpitondra izay nanome alalana, ary tsy ahoany intsony ny tohiny na hamotika ny tontolo iainana na hampitombo fahantrana ny vahoaka, fa rehefa tsy mahatolotra azy, na mitondra tombontsoa ho an’ny mponina sy ny faritra aza, dia hosokajiany ho tsy ara-dalàna ka hataony haza lambo sy potehiny, ary hogadrainy mihitsy izay mirotsaka amin’izany.