Inty sy Nday: Miandry an’iza hiteny ny tsirairay ?
Nisy fanambarana navoakan’ny onjam-peo Viva omaly izay voalaza fa avy amin’ireo manamboninahitra Lefitra ao anivon’ny tafika.
Ny vontoatin’ilay fanambarana aloha dia tsy misy zavatra hafa loatra fa saika ireo efa voaresaka matetika eo anivon’ny fiaraha-monina, ka anakianana sy itsikeran’ny maro ny mpitondra fanjakana, toy ny hoe « fanagadrana ny olona mijoro miaro ny tanindrazany, tahaka ny nihatra tamin’ireo mponin’i Soamahamanina sy ny hafa ». Tao koa ny filazana ny hoe « fivarotana ny tanindrazana ». Voamarika manokana amin’izany ny momba ilay velaran-tany nifanarahana tatsy amin’ny Nosy Maorisy momba ilay hatao Faritra ara-toekarena manokana (Zone Economique spéciale), ny fivarotana an’ireo orin’asam-pirenena, toy ny Jirama, ny seranam-piaramanidina, ny Air mad, sy ny hafa. Voatanisa tao koa ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana ka zary tsy voaantoka ny fiarovana ny aina sy ny fananan’ny vahoaka. Voaresaka tao koa ny tsy fahafahan’ny fanjakana manefa ny saran-jiro aman-dranon’ny Jirama ka tafakatra hatrany amin’ny 527 miliara ariary. Voatsikera tao ny fampanantenana poaka aty nataon’ny filohampirenena, izay voalaza fa ny zavatra ataon’ny fitondrana dia tsy misy mipaka any amin’ny vahoaka.
Momba ny raharahan’ny tafika manokana dia navoitran’ny fanambarana fa « efa maro ny teny natao fa mamono sofina sy manentsin-tadiny ny mpitondra fanjakana ». Voahitsakitsaka koa, hoy ihany ilay fanambarana ny lalàna 96-029 momba ny manamboninahitra lefitra. Navoitran’io fanambarana io koa ny hoe « terena hiambina an’ireo mpandraharaha sy mpangalatra izahay manamboninahitra lefitra nefa ny kaomandy mpanendry no mandray ny fahasoavana ». Notsiahivin’io fanambarana io koa fa « tsy nankatoavina ny tapaka teny amin’ny fikaonan-doham-pirenena momba ny raharahan’ny tafika na « Assises militaires » izay natao teny Ivato”, ary ny teboka iray isan’ny nomarihin’ny fanambarana dia hoe « roahina tsy mahazo manaraka fiofanana izahay manamboninahitra lefitra, ary arirarira ny fampakarana galona anay araka ny fahelana (ancienneté). Tsy nohadinoin-dry zareo nanao ny fanambarana ny nanamarika fa « lanin’ny tompon’andraikitra fotsiny ny tambin-karamanay manamboninahitra lefitra isaky ny misy iraka na « mission » ampanaovina anay”. Noraisin’izy ireo ohatra tamin’izany ny vola mba nomena an-dry zareo tamin’iny fivorian’ny Comesa teo iny. Nanaitra ny mpanara-baovao maro teto an-toerana ny namoahan’ny namana mpanao gazety ao amin’ny Viva an’io fanambarana io, ka voasarika mihitsy moa ny sain’ny mpisehatra maro any amin’ireny tambajotran-tserasera ireny (facebook) haneho hevitra. Tsy latsa-danja amin’izany ny eny anivon’ny fiaraha-monina sy ny sehatra fanaovana pôlitika.
Ny manitikitika ny fisainana dia ny hoe « zavatra iainan’ny rehetra any anivon’ny fiaraha-monina ireo voatanisan’io fanambarana io ». Ny momba an-dry zareo miaramila manokana angamba no zava-baovao na tsy idiran’ny vahoaka. Fa na ahoana na ahoana, nahoana no taitra ny maro rehefa ny miaramila no miloa-peo nefa ireo « maro » ireo ihany no ianjadian’ilay olana mitranga ?
Ny tsy azo lavina koa aloha dia saika efa mahatsapa ny zava-misy ny rehetra. Eny, hatramin’ny mpitondra fanjakana aza dia tsy takona amin-dry zareo ny iainan’ny vahoaka. Misy kosa ny olona miteny, izay tsy maintsy jerena, sao olona isan’ny nanana dian-tanana tamin’ny famotehana ny firenena e !
Na izany na tsy izany, manana andraikitra ihany hitady ny fomba hamonjena ny firenena ny tsirairay fa tsy hiandry ny tsy ho hita satria « toy ny trano may izy ity ka tsy afaka hifanome tsiny sy hifampiandry fa tsy maintsy mifanolo-tanana miara-mamonjy ny loza, mamono ny afo sy mamoaka ny entana azo vonjena aloha », hoy i Pety Rakotoniaina izay.
Ralay