Miaramila teo aloha: Mizotra amin’ny jadona ny mpitondra
Nitsangana manohitra ny fomba fitantanana ny firenena amin’izao fotoana izao ihany koa ireo miaramila teo aloha, izay mivondrona ao anatin’ny AFIAFY, na ny “Association Firaisana Atrika Fiarenana”. Nisy ny fanambarana navoakan’izy ireo omaly, nanehoana ny hevitr’izy ireo manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Ireto miaramila teo aloha ireto izay manambara fa tsy misy ny pôlitikam-pitantanana mazava amin’ny fitantanan-draharaha ka mizotra amin’ny jadona sy ny tsy refesimandidy ny mpitondra. Manjaka tanteraka ny didin’ny be sandry sy ny didi-ko fe lehibe eto amin’ny firenena, ary voahitsakitsaka ny tany tan-dalàna. Mahita ihany koa ny AFIAFY fa adino tanteraka ny sosialim-piainan’ny vahoaka fa variana amin’ny ady seza sy ny ady tombotsoa manokana nympitondra ambony, ny olom-boafidy, ary ny mpanao pôlitika. Manaporofo ny firosoan’ny mpitondra any amin’ny jadona ny fanapenam-bava ny mpanao gazety sy ny olom-pirenena, ary ny fanaovana haza lambo toa fahavalo izay rehetra mitsangana maneho hevitra. Fanjakana devoly tsy manaja ny mahaolona no iraka tanterahan’ny fitondrana ankehitriny, hoy ihany ny AFIAFY tao anatin’izay fanambarana izay. Vokatr’ireo rehetra voalaza teo ireo, dia tsy mifampatoky intsony ny vahoaka sy ny mpitondra ka samy manao izay saim-pantany ny rehetra, ohatra amin’izany ny firongatry ny fitsaram-bahoaka manerana ny Nosy. Ity fikambanana ity izay manahy ny hisian’ny ady an-trano eto Madagasikara noho ny fomba fitantanan’ny mpitondra ny raharaham-pirenena, ary miantso ny hery velona rehetra, na sivily na miaramila, ireo raiamandreny ara-panahy sy ara-drazana rehetra, ary ireo fikambanana fiaraha-monim-pirenena, mba hijoro hanavotra ny tanindrazana.
F.Tsihiavonana