Inty sy Nday: Aiza ho aiza tokoa izao ny tanjaky ny Hvm?
Ekena ary tsy iadian-kevitra aloha fa ny fifidianana ihany no fomba hamaritana ny tompon’ny maro an’isa eo anivon’ny firenena iray. Raha ny eto Madagasikara anefa dia tsy mbola nisy fifidianana ka tena namoaka tamim-pahamarinana ny vondron-kery pôlitika tena tompon’ny maro an’isa teto satria hala-bato sy hosoka, fampihorohoroana sy fividianana olona no nanjaka isaky ny fotoam-pifidianana. Noho izany, tsy azo raisina ho fepetra ahafahana mandrefy ny fifandanjan-kery pôlitika eto ny fifidianana, eny na efa nomena hotantanin’ny rafitra “mahaleotena” toy ny “Ceni” aza io raharaha io.
Raha ny ako re etsy sy eroa amin’izao fotoana àry no zohiana dia manitikitika ny saina ny hoe “mbola mahasahy hirehaka fa tompon’ny maro an’isa ve ny Hvm?”
Raha ny marina dia tsapan’ny mpitondra fanjakana tsara fa tsy any aminy intsony ny fon’ny maro an’isa. Tsy tany aminy hatrany amboalohany mihitsy koa aza moa izy io e! Vao nandray ny fahefam-panjakana mantsy Ingahy Rajaonarimampianina, herinandro vitsy monja taorian’izay, ny nataony voalohany indrindra dia ny nanome lamosina an’ilay vahoaka maro an’isa nifidy azy. Efa tamin’izany no tapaka ny fifanarahan’ny mpitondra fanjakana sy ny vahoaka (contrat social) teto.
Voaporofo izany tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna tamin’ny volana jolay 2015 fa raha tsy nampihatra ny fampihorohoroana sy ny fitaka mbamin’ny hosoka tamin’ny lisi-pifidianana sy ny fomba namoehitra hatrizay tamin’ny raharaham-pifidianana teto ny Hvm dia tsy ho nahazo ny maro an’isa amin’ireo olom-boafidy eny anivon’ny kaominina. Vao mainka nabaribarin’ny marina izany tamin’ny tetika maloto nampiharin’ny Hvm tamin’ny fifidianana loholona tamin’ny volana desambra 2015.
Dia raha ampiantsika ny hetsika isan-karazany etsy sy eroa ataon’ny olom-pirenena, ny antoko na vondron’antoko pôlitika, ny firaisamonim-pirenena, ny mpandraharaha ara-toekarena, ny tafika, ny mpiasampanjakana ambony sy ny maro hafa izany, dia vao mainka mibaribary fa tsy any amin’ny Hvm intsony ny maro an’isa.
Ny vahoaka aloha dia tsy toy ny sokajin’olona hafa izay mijoro manohitra izao fitondrana izao nefa matahotra ny handray andraikitra satria hoe “sao ratsy endrika eo anoloan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena”. Ny vahoaka dia efa tapa-kevitra fa miandry teboka handraisany fepetra izy ka izay manoha-riana eo dia afatotry ny vahoaka andraikitra ho miaro ny mpitondra mampahantra azy.
Faralahy