Mpiasam-panjakana ambony: “Tsy mihaino ny feom-bahoaka ny mpitondra”
Taorian’ny fanambarana nataon’ny tafika eo amin’ny laharan’ny manamboninahitra lefitra ny talata teo sy ny avy amin’ny Miaramila Tranainy ny alarobia dia nivoaka tao anatin’ny fahanginany koa ka namoaka fanambarana omaly ny Vondromben’ny mpiasam-panjakana ambony izay miara-dia ao amin’ilay antsoina hoe “Confédération des Syndicats des Grands Corps de l’Etat Malagasy”.
Notsindrian’ny fanambaran’izy ireo fa “mitombina sy ara-drariny avokoa ny fomba fijery sy fandinihana ny toe-draharaha eto amin’ny firenentsika nambaran’ireo efa namoaka ny heviny (Manamboninahitra Lefitra sy miaramila teo aloha), ka iombonan’ny mpiasam-panjakana ambony manana, ary tohanany”.
Navoitran’ny fanambaran’ireto vondron’ny mpiasam-panjakana ambony ireto omaly fa “betsaka ny raharaham-panjakana tsy mandeha ary azo ambara mihitsy fa marary ny asam-panjakana.” Tsy mihaino ny tolo-kevitra aroso ho azy ireo anefa ny mpitondra fanjakana, hoy ihany ny fanambarana, na dia efa marobe aza ireo soso-kevitra natolotra an-dry zareo mpitondra.
Isan’ny nivoitra tamin’ny fanambaran-dry zareo ao anivon’ity vondron’ny mpiasam-panjakana ambony ity koa ny fankaherezana an’ireo miaramila eo amin’ny laharan’ny manamboninahitra lefitra sy ireo miaramila tranainy, ary nanome toky ireto sivily mpiasampanjakana fa “raha ilaina dia vonona hanambatra ny heriny mba handresena ny tsy rariny ka hahafahana manavotra an’i Madagasikara izahay”. Tsy azo ekena sy handeferana intsony izao zioga sy fatotra angejana ny vahoaka sy ny firenena Malagasy izao, hoy izy ireo.
Tsy latsa-danja amin’izany moa ny fifanentanan’izy samy mpiasam-panjakana, indrindra fa ny mpiasam-panjakana ambony hampiseho firaisan-kina eo anoloan’ny vahoaka izay tena tompon-draharaha.