Pôlitika : lany olomanga i Madagasikara

Samy mitaraina avokoa ny Malagasy rehetra amin’izao fotoana izao amin’ny afitsoka ny milaza azy fa mpanao pôlitika. Ireo mpanao pôlitika izay lazaina fa tia tanindrazana araka ny fiheveran’ny olona azy hatramin’izay. Mibaribary tokoa amin’izao fotoana izao fa tsy tia tanindrazana ny mpanao pôlitika malagasy. Porofo mitohoka amin’ny tenda  ny zava-misy eoamin’ireo solombavambahoaka ankehitriny. Zara raha misy 2 na 3 no azo lazaina fa tena tia tanindrazana amin’izy ireo ary manao pôlitika marina.  Mpanao bizina avokoa izy rehetra ka tsy misy resaka raha tsy ny aferaferan’izy ireo no malaza ao Tsimbazaza ao rehefa tonga ny fotoam-pivoriana. Firy moa ny depiote izay nampiasa vola be hahalany azy mba hahazoan’izy ireo mialokaloka ao amin’ny “ immunité parlementaire” na ny fiarovan’ny lalàna azy manokana, ka hanafenan’izy ireo ny fandikan-dalàna nataon’izy ireny noho ny bizina maloto nataony. Vokatr’izany dia atakalon’izy ireo resaka vola ny fandaniana ny tolo-dalàna ao amin’ity andrim-panjakana ity ka rehefa tonga ny “mallette” na valizy kely feno vola hividianana azy ireo dia lany avokoa izay lalàna atolotra rehetra ao na ny hahafaty ny vahoaka aza. Ohatra amin’izany ny “cyber criminalité”, ny lalàna mifehy ny serasera ny sy asa fanaovan-gazety, ary isan’ny mandeha ho azy koa ny teti-bolam-panjakana izay lany tsy misy fanitsiana sy tsy asian’ady hevitra lalina ka mitarika ny fahantrana eto Madagasikara sy nymaro hafa koa… Tsy misy ao Tsimbazaza intsony izany fijerena ny tombotsoam-bahoaka sy ny firenena izany. Ny sasantsasany amin’ireo solombavambahoaka aza milaza fa na vola dimy hetsy ariary raha be indrindra dia ivarotan’izy ireo ny toky napetraka ny vahoaka tamin’izy ireo. Tsy misy intsony ny mibaiko fa ny vola ihany no mamaritra ny asan’izy ireo ao. Indraindray dia mba manao fihetsiketsehana hilazana fa manohitra ny tsy marina sy ny tsy rariny ary ny tsy fanarahan-dalàna hono. Nefa raha vao tonga ny “mallette” aterin’ny mpitondra fanjakana dia mangina tsy misy sahy milaza ny marina sy manohitra izany izy rehetra ireo, fa avy hatrany dia manaiky ary mivadi-dela avy hatrany. Tsy ny ao amin’ny Antenimierampirenena ihany no ahitana ity resaka bizina amin’ny andrim-panjakana mpanao lalàna ity fa ny ao amin’ny Antenimierandoholona etsy Anosikely dia mbola zava-doza noho izany no mitranga. Raha toa ka mba misy ady hevitra kely ao Tsimbazaza ao izay ataon’ireo depiote ireo indraindray amin’ny tsy fitoviana fijery amin’ny governemanta, dia tsy izany no misy ao amin’ny Antenimierandoholona fa izay lalàna tonga ao dia lany avokoa. Ingahy Lylison ihany no mba hany olona niady ho an’ny tombotsoam-bahoaka tao amin’ity andrim-panjakana ity, nefa dia iny fanenjehana azy hogadraina iny no nahazo azy ka izao tsy hita popoka izao ny niafenany. Tsy misy senatera na iray mba mieritreritra vahoaka ao Anosikely ao ankehitriny.  Antenimierandoholona hatao modely eran-tany hono no filamatra araka ny voalazan’ingahy Honoré Rakotomanana nefa io iaraha-mahita io ny ao. Modely amin’ny firaisana tsikombakomba amin’ny governemanta sy ny filoham-pirenena no misy. Raha tsara ny ataon’ny governemanta dia tsara ireo senatera ireo. Miaro ny sezany avokoa sisa no ataon’izy ireo ka noho izany dia mpiaro ny fanjakan’ingahy Hery Rajaonarimampianina. Tsy afaka ny hihaino ny vahoaka mikiakiaka sy mitaraina mafy noho ny fahantrana sy ny fanamparam-pahefana atao amin’izy ireo intsony ny Antenimierandoholona. Tsy hita taratra ao izany loholona izany izay taratra ny fahendrena ao amin’ny firenena iray, satria ny fiarovana ny vahoaka sy ny firenena no maha loholona ny loholona hatramin’izay.

Ny tena zava-doza dia ny mpikambana ao amin’ny governemanta ankehitriny. Tsy mbola nahita izahay tamin’izy ireo ka nilaza fa hiaro ny tombotsoam-bahoaka sy ny firenena. Mpiaro ny S sy ny karana ary ny arabo mpandroba ny haren’ny Malagasy no hita etsy sy eroa. Fampiasan-kery amin’ny vahoaka Malagasy madinika sy fadiranovana. Fivarotana ny taniny amin’ireo vahiny ireo ary fiarovana azy ireo amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna maro be eto amin’ny firenena. Lazaina fa miasa mafy ny governemanta amin’izao fotoana izao, nefa dia tsy hita izay vokatr’izany asa mafy ataoan’izy ireo izany fa toa ny mpiasam-panjakana rehetra miditra birao amin’ny 8 ora maraina dia mirava amin’ny 5 ora hariva ihany izy ireo. Tsy misy vokatra azo tsapain-tanana vitan’izy ireo. Ny asa ataon’izy ireo aza dia izao mbola mitarika fahantrana mihoa-pampana izao. Manomboka maty eny amoron-dalàna ny Malagasy mahantra ankehitriny noho ny hanoanana ka toa ny tany Sômalia taloha izay nianjadian’ny fahantrana tanteraka vokatra ny ady. Tsy mahatsapa izy ireo fa mijaly fadiranovana anie ny vahoaka Malagasy amin’izao fitondran’ingahy Hery Rajaonarimampianina izao sy amin’ny afitsoka ny HVM na ny Hery vaovao ho an’i Madagasikara izao.

Ireo olona ao amin’ny andrim-panjakana roa mpanao lalàna ireo sy ny governemanta no nangalana taratra ny fahabangana misy. Olona manam-bola, manam-pahaizana, mpanankarena sy mpanefoefo noho ny Malagasy rehetra izay fadiranovana amin’izao fotoana izao izy rehetra ireo. Mahay mikabary sy mandresy lahatra amin’ny fomba maro samihafa mba hisintonana ny vahoaka hanaraka azy. Kay olona tsy mieritreritra tanindrazana akory izy ireo.  Lany olomanga ny firenena, lany tian-tanindrazana. Olona tsy mieritreritra akory an’i Madagasikara izy ireo no mitondra firenena. Fitiavan-tena no manjaka ka tsy misy jereny raha tsy ny tombotsoan’ny tenany sy ny fianakaviany irery ihany sisa. Raha ampitahaina ny harenan’izy ireo tao alohan’ny nitondrany ny firenena sy ny harenan’izy ireo amin’izao fotoana izao.Voaporofo fa nataon’izy ireo fitaovana ny firenena sy ny vahoaka malagasy hanatsarany ny fiainany samy irery.

Jesy Rabelaolao

Commentaires   

0 #1 gasybabakoto 03-11-2016 13:25
Efa nanomboka tamin'ny 2009 io rabelalao an! ny HVM anie zanaka mapar ihany e!
Tsy efa tonga @ tanjona niriany ve izao ny vahoaka malagasy e! nahazo mpanao politika sahaza azy tsara
Citer

Ajouter un Commentaire