Delestazy: Faritra maro no mbola mahita faisana

Raha tsy nisy firy intsony ny fahatapahan-jiro na ny delestazy teto Andrenivohitra nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo, mifanohitra amin’izany kosa ny zava-misy any amin’ireo faritra hafa ivelan’Antananarivo. Hatramin’ity androany ity dia mbola mamely mafy ny delestazy saika manerana ny Nosy, na any amin’ireo tanàn-dehibe renivohi-paritra, na any amin’ireo renivohi-paritany. Maharitra ora maro izany fahatapahan-jiro izany any amin’ireo faritra ireo, misy no maharitra tapaka’andro manontolo mihitsy, raha tsy hiresaka ny ao Mahanjanga, Sambava, ary iny faritra Atsinanan’ny Nosy iray manontolo iny. Toy ny ao Sambava ohatra dia efa manomboka miaka-peo ny mpanjifa ny Jirama ary ahiana ny mety hisian’ny tranga tahaka izay niseho tany Farafangana, ny sabotsy 15 oktobra lasa teo. Tsiahivina ihany fa may kila forehitra ny biraon’ny Jirama tao an-toerana tamin’io andro io rehefa nodoran’ny vahoaka izay tsy nahazaka intsony ny delestazy lavareny misy ao aminy. Marihana fa tsy ny fahatapahan’ny herinaratra ihany no mampijaly ireo mponina any amin’ny faritra fa eo ihany koa ny fahatapahan’ny rano. Mazava ho azy fa potika tanteraka ny fitadiavan’ireo mpandraharaha mandinika mampiasa herinaratra noho izay delestazy tsy misy fiafarany izay.

 F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire