Frankôfônia : tsy inoan’ny olona ny tenin’i Michaëlle Jean

Tao anatin’ny roa andro izay dia tonga teto Madagasikara ny sekretera jeneraly ny frankôfônia, ramatoa Michaëlle Jean. Hanao tomban’ezaka ny fivoaran’ny fikarakarana ny fihaonana an-tampony izay hataon’ny mpikambana ao amin’ity vondron’ny firenena miteny amin’ny ampahany sy manontolo ny teny frantsay ity no diany amin’izany. Ny firenena malagasy no hanaovana ny tomban’ezaka amin’ny asa vitany araka ny taratasy izay nisy ny bokin’andraikitra izay nifanarahana. Fomba fanao amin’ny firenena izay mandray fivoriana iraisam-pirenena lehibe toa izao izany. Nanao fanambarana mahakasika ny fahavononan’ny firenena Malagasy ramatoa Michaëlle Jean sy ingahy Hery Rjaonarimampianina teny amin’ny lapam-panjakana teny Iavoloha ny alarobia 02 novambra 2016 lasa teo. Natao tao aorian’ny fahavitan’ny tomban’ezaka nataon’ny roa tonta ny alatsinainy faha 31 oktobra sy atalata faha 01 novambra 2016 izany. Raha ny fahitan’ireto olona roa ireto ny fizotran’ny fanomanana dia nolazainy fa isan’ny tsara indrindra tamin’ireo fanomanana ny fivoriana an-tampon’ny frankôfônia tany amin’ireo firenena 15 hafa efa nandray izany teo alohan’i Madagasikara ny zava-misy. Isan’ny nanamarika io fahitany io ramatoa Michaëlle Jean. Mahagaga anefa fa tsy mety mino io voalaza io ny Malagasy maro manaraka ity raharaha ity. Ny trano tsy vita etsy Andohatapenaka, ny làlana namboarin’ny Sinoa lasan’ny riaka tamin’ny rotsak’orana voalohany, tsy fahavitan’ny tobim-piaramanidina ao amin’ny Bani eny Ivato. Isan’ny tsy itovian’ny fijerin’ny fanjakana sy ramatoa Michaëlle Jean amin’ny vahoaka Malagasy ankehitriny ireo. Mandeha koa ny resaka etsy andanin’izany fa maro ny masoivoho vahiny miasa eto Madagasikara no tsy mino loatra ny fahatomombanan’ny fanomanana ny fotodrafitrasa ho amin’izany, ka mahatonga resaka be amin’izy ireo ny fisian’ny fanantenana hahatontosana ireo fotodrafitrasa ireo ara-potoana. Olona 3500 eo ho eo no andrasana amin’ity raharaha ity, ka isan’izany ireo filoham-pirenena am-polony izay milaza ho tonga. Ny Malagasy izay mba nanana fanantenana teo indray mametraka olana amin’ny fahafaham-baraka izay mety hahazo an’i Madagasikara noho ny tsy fisian’ny mangarahara amin’ny fanatanterahana ara-bola amin’ izany. Hatramin’izao, tsy mbola nisy ny filazana marina ny vola holaniana sy ny efa lany. Ny ahiahy tsy ihavanana hoy ny fitenenana ka tsy misy mihitsy ny mangarahara amin’ity raharaha ity hatramin’izao. Ny tombotsoa izay lazaina fa ho azo amin’izao fihaonana an-tampony hatao eto Antananarivo izao dia maizina tanteraka amin’ny vahoaka Malagasy. Ohatra iray amin’ny fihaonana an-tampony izay nahakivy ny Malagasy ny fihaonana an-tampony tamin’ny COMESA na ny fikambanan’ny ara-barotra aty amin’ny tany Afrika atsinanana, izay natao teto Antananarivo ny voalohandohan’ny volana oktobra 2016 lasa teo iny. Nampanantenana volana sy kintana ary masoandro ny vahoaka Malagasy nefa tsy hita izany rehefa vita ny fihaonana fa baraka sy henatra no nisy noho ny antony maro. Ny filoham-pirenena 18 nandrasana aza tsy tonga raha tsy ingahy Mugabe irery ihany, izay filohan’i Zimbabwe. Ny minisitra ny Vola etiopianina no namindra ny fahefany tamin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina izay filoham-pirenena Malagasy. Maro ny resaka tamin’iny raharaha iny tamin’ny haino aman-jery sy gazety samy hafa teto Madagasikara ka tsy iverenana intsony. Ireo rehetra ireo no isan’ny mahatonga ny Malagasy tsy mety nino intsony ny voalazan-dRtoa Michaëlle Jean izay sekretera jeneralin’ny frankôfônia sy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo. Ny ampitso moa no hahitana ny ahiahin’ny olona maro ireto satria afaka 18 andro sisa dia ho tonga ity daty malaza ity.

 Jesy Rabelaolao

Ajouter un Commentaire