Nty sy Nday: Tsy misy zava-baovao eto an-tany e !

Misavoritaka sy mifampikapa ranjo indray ny samy mpiray donak’afo ao anaty fitondrana foibe ao amin’izao fotoana. Raha ny mpikambana ao amin’ny governemanta aloha no jerena dia mizara roa miavaka tsara. Ao ireo mpiara-miombona antoka ao amin’ny Hvm fa ny ankoatra ireo koa dia manana ny fomba fijeriny. Ny samy Hvm dia mitetika ny hanilika an’ireo tsy Hvm. Ingahy filoha eny an-dapa rahateo koa dia re fa mitaky an’ireo rehetra ao anaty fitondrana mba hanohana azy fa toa miasa irery izy eo anoloan’ny fanakianana sy tsikera maroloha miantefa any amin’ny fitondrana. Manilika ny rihitra any amin’ireo minisitra tsy Hvm ny minisitra Hvm ho fototry ny tsy fahombiazan’ny fitondrana. Iretsy minisitra tsy Hvm kosa etsy ankilany, mihazakazaka any amin-dRajaonarimampianina ka mitady dera ary manolotra tokim-panompoana azy, sady manao fanamarihana ny Hvm ho isan’ny sakana tsy ahafahana mandroso haingana. Izany rehetra izany no faritanay hoe “tsy misy zava-baovao eto an-tany”. Voalohany mantsy dia efa nitranga tamin’ireo fitondrana maro nifandimby teto izany. Faha-Repoblika voalohany dia misy ireo misora-tena ho mpiandany 200% tamin’i Tsiranana fa tsy mankasitraka ny pôlitikan’ny Pisodia. Faha- Repoblika faharoa koa dia nisy ny tsy nanaiky hiditra ho Arema mihitsy fa hoe “Pisodia ihany ireo”, fa manohana tanteraka ny filoha Ratsiraka kosa. Faha ZAfy Albert  koa dia nisy izany, ary tsy niavaka tamin’izany ny zava-nisy faha-Ravalomanana. Nahoana no tsy hitranga izany amin’izao fotoanan-dRajaonarimampianina izao? Etsy ankilany koa dia porofo mitohoka amin’ny tenda izany fisavoritahana ao anatin’ny fitondrana foibe izany fa tsy niomana hitondra fanjakana i Hery Rajaonarimampianina (toa ireo filohampirenena rehetra nifandimby nitondra teto ihany). Tsy manana tarika mafy orina ara-pôlitika. Tsy manana foto-kevitra pôlitika tokana ijoroana sy matotra. Raha nandinika isika dia ny olana anatin’ny samy mpitondra foibe no isan’ny nanamora ny fidarabohan’ny mpitondra teo amin’ny toerany teto na faha-Pisodia na faha-Arema, na faha-Hery Velona na faha-Tim…

Misy lesoka goavana tsy azo hamaivanina izany rehetra izany, indrindra fa ho an’ny olona mieritreritra hitondra, ary indrindra koa fa ho an’ny vahoaka mpampiakatra olona eo anivon’ny fitondrana, na amin’ny alalan’ny hetsi-bahoaka izany na amin’ny alalan’ny fifidianana.

Ralay

Ajouter un Commentaire