Finoana sy fomban-drazana : lasa mampizarazara ny Malagasy
Nahatohina olom-pirenena maro ny zava-niseho tao Mananjary ny faran’ny herinandro lasa teo, mahakasika ilay raharaha fanotàna fady doany izay niafara tamin’ny fandoroana velona ilay vehivavy lehibe tompon’antoka tamin’izany. Nanomboka ny fiandohan’ny herinandro, dia lasa niteraka resabe eo anivon’ny fiaraha-monina, indrindra fa any anatin’ireo tambazotran-tserasera ity raharaha niseho tao Mananjary ity. Lasa ady hevitra eo amin’ireo olom-pirenena ny resaka finoana sy ny fomban-drazana, fa eo ihany koa ny ady hevitra momba ny resaka fitsaram-bahoaka. Mizara roa tanteraka ny hevitr’ireo olom-pirenena. Etsy andaniny dia misy ireo manameloka tanteraka ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana ilay vehivavy nanota fady. Etsy ankilany kosa ireo mihevitra fa rariny sy hitsiny ny an’ny fokonolona tao Mananjary raha nanao ireny fihetsika ireny. Amin’ny ankapobeny dia miankina amin’ny finoan’ny tsirairay ny fomba fijery sy fahitàna ireny zava-niseho tany Mananjary ireny. Ho an’ireo sarotiny amin’ny fomban-drazana sy ny kolontsaina Malagasy dia isan’ireo zavatra tena saro-pady ary tsy azo zimbazimbaina ny doany, izay fanaovan’ny olona fomban-drazana sy fangataham-pitahiana. Ho an’ireo mandala ny fivavahana kristianina mafana fo kosa dia resaka fanompom-tsampy ny fivavahana sy fanamasinana ireny doany ireny ka tafiditra ao anatin’ny asan-devoly. Ho an’ireto farany dia tsy tokony nanaovana ireny herisetra sy vono feno habibiana ireny ilay vehivavy lehibe voalaza fa nanota fady. Ankehitriny aza dia betsaka amin’ireny fiangonana zandriny ireny no miezaka manapotika ny fomban-drazana tahaka itony fangataham-pitahiana amin’ny doany itony. Raha fehezina dia mbola mampizarazara ny Malagasy ny resaka finoana amin’izao vanim-potoana izao. Na samy mandala ny finoana kristianina aza dia misy fizarazarana ary fianakaviana maro no potika noho ity resaka finoana ity.
F.Tsihiavonana
Ambatofinandrahana: Nokapain’ny dahalo ny lohan’ilay ramatoa
Tamin’ny alin’ny alakamisy faha 03 novambra nifoha ny zoma faha 04 novambra 2016, dia nisy fanafihana nataon’ny jiolahy na dahalo ny tao amin’ny tanàna antsoina hoe Andolomitahy ao amin’ny Renivohitra ny tanànan’Ambatofinandrahana. Notafihin’ny dahalo i Tiana mpamily fiarakodia mampitohy an’Ambositra sy Ambatofinandrahana. Tsy miray trano fa mifanila izy mianaka ireto. Rehefa tonga ny dahalo hanafika tao amin’ny toerana misy ny trano ipetrahan’i Tiana, dia taitra ny reniny raha naheno izany ka nivoaka ny trano no sady niantso vonjy. Nahita izany ny iray tamin’ireto olon-dratsy ka tsy nisalasala fa avy hatrany dia nikapa tamin’ny antsibe ny tendan’ity vehivavy ity. Tokony ho tamin’ny 12 ora alina no nisehoan’izany hoy ny loharanom-baovao. Tapaka ny tendany noho izany ka ny hozatra ihany sisa no nitazona azy. Namoy ny ainy ny alina io ihany ilay ramatoa. Lasa nandositra moa ireo dahalo rehefa nahavita ity famonoana olona ity. Ny olona koa nanomboka tonga teo amin’ny toerana.
Tao anatin’ny telo volana teo ho eo dia niaina tao anatin’ny famonoana olona sy fanafihan-dahalo ny tanànan’Ambatofinandrahana. Efa nisy ny pôlisy novonoin’ny dahalo toa izao koa, ny fanafihana ny mpiasan’ny hôpitaly, ny asan-dahalo famoahana omby, ary ny fandrobana. Tsy hita ho tanisaina intsony ny isan’ny asan-dahalo. Na dia nisy aza ny fampandrian-tany nataon’ny mpitandro ny filaminana ny volana oktobra teo dia tsy nisy dikany izany fa toa voa mainka nampitombo ny asan-dahalo rehefa lasa izy ireo. Misy tobin’ny zandarimaria roa sy pôlisy iray ao Ambatofinandrahana renivohitra ao. Mba vinanio amin’izany ny mahazo ny olona any ambanivohitr’ity distrika ity raha toa ka toa izao no mahazo ny ao andrenivohitra?
Marihina fa tamin’io fotoana nanafihana ny tranon’i Tiana mpamily fiara ka nahafaty ny reniny izao dia nisy koa ny fanafihana ny tranon-dRamena teny Ambolomborona.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao