Soamahamanina: Sazy miantona herintaona ho an’ireo voasambotra
Nohafahana noho ny fisalasalana, saingy nomena sazy miantona herintaona avy ireo 5 mirahalahy mpanao fihetsiketsehana tao Soamahamanina izay nosamborin’ny mpitandro filaminana ny 29 septambra lasa teo, ary nampidirina teny amin’ny fonjan’
Antanimora. Araka ny didy navoakan’ny fitsarana dia tsy misy ny porofo ahafahana manameloka ireto mpanao fihetsiketsehana 5 mirahalahy ireto ho nanohintohina ny fiainam-pirenena ka izay no antony nanomezana azy ireo fahafahana noho ny fisalasalana. Etsy ankilany anefa dia mihevitra ny fitsarana fa nisy ny fanaovana fihetsiketsehana an-dalambe tsy nahazoana alalana tamin’io andron’ny alakamisy 29 septambra io ka 1 taona sazy miantona no azon’izy 5 mirahalahy. Ireto farany izay mbola niverina teny Antanimora tao aorian’ny fivoahan’ny didy mba ahafahana mikarakara ny taratasy manafaka azy ireo. Tsy nahafa-po ny mpisolovavan’ireto mpanao fihetsiketsehana tao Soamahamanina ireto, ny maitre Willy Razafinjatovo, ny didy navoakan’ny fitsarana. Ity farany izay mangataka fahafahana madiodio ho an’izy 5 mirahalahy ary nilaza ny mbola hampiakatra ny raharaha any amin’ny ambaratongam-pitsarana voakasik’izany. Marihana fa fitakiana lehibe farany nataon’ireo mponina ao Soamahamanina sy ireo fikambanana mpiaro ny zon’olombelona maro eto amitsika ny hamoahana tsy misy hatak’andro an’ireto mpitolona nampidirina am-ponja ireto. Azo heverina fa ity didy navoakan’ny fitsarana omaly ity no mamarana tanteraka ny raharaha Soamahamanina izay naharitra volana maromaro. Tsy tazana ao an-toerana intsony ireo Sinoa nitrandraka volamena izay notoherin’ireo mponina mafy, ary tafavoaka ny fonja soa aman-tsara ireo nampidirina tany am-ponja.
F.Tsihiavonana