Lalan’ny frankôfônia: Hoferana ny fiara mahazo mandeha eo aminy

Araka ny efa voalazanay teto amin’ity gazety ity tamin’ny zoma faha 4 novambra 2016 tao amin’ny pejy faha 12 mitondra ny lohanteny hoe “terena ho tanterahina na hita aza fa tsy ho vita”, sy ny sabotsy faha 5 novambra 2016, mitondra ny lohanteny hoe « tsy inoan’ny olona ny tenin’i Machaelle Jean » pejy faha 12. Voatanisa tamin’ireo lahatsoratra ireo ny mahakasika ny olana sedrain’ny fanjakana Malagasy amin’ny fanatanterahana ity fihaonana an-tampon’ny tany miteny ampahany sy miteny tanteraka ny teny frantsay ity, izay hatao manomboka ny 22 novambra 2016 izao. Mba tsy hilazana fa feno hosoka sy tsy mazava tanteraka amin’ny Malagasy ny raharaha rehetra mahakasika ny fotodrafitrasa tsy vita sy ny tsy mazava ao anatin’ity raharaha ity. Tsy tenenina intsony ny fanafenana amin’ny olom-pirenena ny vola laniana amin’ity raharaha ity, ary ny loharanom-bola hanatanterahana izany. Miteraka resabe eto Madagasikara fa indrindra ny mpanaraka ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ny fiovaovan’ny fitenenan’ny mpitondra. Indraindray milaza fa ity no fotodrafitrasa handraisana ity fihaonana ity, nefa tampotampoka eo indray rehefa misedra olana ilay fanamborana ireo fotodrafitrasa ireo, dia manambara indray fa tsy misy ifandraisany amin’ny fandraisana ity fihaonana ity ireo fa zavatra hafa tanteraka, toa ny mitranga etsy Andohatapenaka amin’izao fotoana izao. Dia valalanina tanteraka ny rehetra maheno izany satria tsy fantatra intsony izay marina. Misy dia tsy misy indray ary avy amin’ny hira ny mpanakanto fahiny hoe “hay ve misy avy eo dia tsy misy indray…”, dia mbola tsy fantatra izay hiafarany. Feno laingalainga sy fitampitaka toa izany ny raharaha mahakasika ny fanatanterahana ity fihaonana ity indrindra ny fanatanterahana ny asa handraisana azy, ka izao niafara amin’ny tsy finoana ny fanambaran’i ramatoa Michaelle Jean izay sekretera jeneralin’ny frankôfônia izao. Na dia niezaka ny nampiseho ny fahavononany ity ramatoa ity dia tsy noraharahan’ny Malagasy maro ny kabariny.

Amin’izao fotoana izao dia voaporofo fa tsy vita araka ny tokony ho izy indray ny làlan’ny frankôfônia, izay mampitohy an’Ivato sy Soavimasoandro ary Andohatapenaka. Voalazan’ny manampahaizana iray momba ny làlana izay isan’ny manaramaso ny asa atao amin’ity làlana ity fa tsy vita araka ny tokony ho izy ity làlana ity. Tsy hahazaka handehanan’ny fiarakodia maro izy io. Atahorana ny mety hisian’ny loza raha toa ka hampiasaina amin’io fihaonana io. Teo anatrehan’izany dia fantatra izao fa fiarakodia voafantina ihany no mahazo mampiasa io làlana io amin’io fotoana io, ka ireo izay hitondra ny delegasionina sy ny mpandray anjara ihany ary ny fiara hanatanteraka ny asa amin’io ihany no mahazo mandeha eo amboniny. Voalaza koa fa tsy afaka ampiasaina mihoatran’ny herinandro io làlana io, fa  raha mihoatran’izany dia atahorana mafy koa ny fihotsahany. Voalaza fa hajanona tanteraka ny fampiasana ity làlana ity rehefa vita io fihaonana io. Ny volana martsa 2017 no voalaza fa hanohizana ny asa fanamboarana izany indray. Ahiana anefa ny fahasimbana goavana mandritry ny fihavian’ny vahavaratra izao noho ny asa tandrametaka izay misy amin’izao fotoana izao. Voalaza fa mbola fifanarahana vaovao indray io hatao ny volana martsa 2017 io ka mbola vola hafa indray

no holanian’ny fanjakana amin’izany. Izany no mbola ilazainay fa terena hatao fotsiny ny fihaonana ity ka hangalana baraka ny firenena Malagasy sy ny vahoaka ao aminy indray. Miseho isan’andro isan’andro ny olana sy ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana ity raharaha ity ary ny tsirambina ataon’ny fanjakana. Miseho toa izany koa ny zavatra nafenina tsy ho fata-bahoaka amin’ity raharaha ity. Marihina fa mbola maro ny Malagasy tsy mino fa ho tanteraka ity fihaonana ity hatramin’izao.

Jesy Rabelaolao

Ajouter un Commentaire