Delestazy any Sambava: Mampiaka-peo hatramin’ny manamboninahitra
Miha ratsy ny toe-draharaha any Sambava noho ny delestazy lavareny misy any an-toerana amin’izao fotoana izao. Tato anatin’ny herinandro vitsy izay dia anisan’ireo faritra tanan-dehibe mahita faisana amin’ny fahatapahan-jiro i Sambava ka tofoka sy leo tanteraka ireo mpanjifa ny Jirama any an-toerana. Andro vitsy lasa izay no efa nampiaka-peo ary nandrahona ny hanao fihetsiketsehana an-dalambe ny vahoaka raha tsy misy ny vahaolana raisin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Jirama. Hatramin’ny faran’ny herinandro teo anefa dia tsy nisy fiovàna izay fahatapahan-jiro ao Sambava izay ka nampiaka-peo hatramin’ny manamboninahitra. Tao amina haino aman-jery tsy miankina iray any an-toerana no nanao karazana fanambarana ho an’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ity orinasam-panjakana ity ny Lieutenant iray antsoina hoe Tombo Jean Claudio. Tao anatin’izay fanambarana izay no nilazany mivantana fa miaina ao anaty fijaliana ny mpanjifa izay hataon’ny Jirama tsinontsinona. Betsaka ny fitapitaka atao amin’ireo mpanjifa ka tsy eken’ity manamboninahitra ity. Ity farany izay niangavy mafy ny Jirama mba hitady vahaolana faran’izay haingana mba hisorohana ny fahatezeram-bahoaka. Raha mbola mitohy izao delestazy ao Sambava izao dia ahiana ny hitrangan’ny toe-javatra tahaka izay niseho tany Farafangana, ny 15 oktobra lasa teo. Betsaka amin’ireo mponina any an-toerana no efa miandry fotsiny ny fidinana an-dalambe hanehoana ny fahatezeran’izy ireo manoloana izay delestazy lavarenina izay.
F.T.