Nty sy nday: Adino tanteraka !

Nitsingerina omaly alahady ny faha-21 taona nahamay an’Anatirova. Andro alatsinainy ny 6 Novambra tamin’ny 1995 nitrangan’ny loza. Toa inona no hafanam-pon’ny maro, nanomboka tamin’ireo milaza azy ho “Andriana” ka hoe “saro-piaro amin’io Anatirova io”. Nangorom-potsy ny teny an-toerana tamin’izay raha niara-nientana ny vahoaka nampiseho ny hafanam-pony hiara-hanavotra sy hanangana indray an’ity vako-pirenena. Ny mpitondra fanjakana sy ny fikambanana isan-tokony dia samy nijoro naneho fahasahiana miharo fanamby mihitsy fa “tsy maintsy harenina Anatirova”. Ny hany nanana fahasahiana namerina ny vola voahangony momba ny ho fanarenana indray an’Anatirova dia ilay fikambanana niarahan-dRalaiarijaona sy Razanatseheno Henry nanangana. Noho ny fahitan’izy ireo (Ralaiarijaona sy Razanatseheno Henry) fa toa lasa fitaovana ikatsahan’ny sasany laza amam-boninahitra sy tombontsoa manokana (politika sy vola) fotsiny ity raharahan’Anatirova ity, dia naleon-dry zareo niantso an’ireo tsara sitra-po tamin’izany ka nandrotsaka ny anjara-birikiny ho amin’ilay tetik’asa, naleon-dry zareo namerina sy nanonitra an’izany. Fa taorian’izay dia nanomboka nihanangatsiaka ny fahatsapan’ny maro ny lanjan’Anatirova. Na ireo fikambanan’ny tanora niezaka hahatsiaro isan-taona ny nahamay an’Anatirova tao anatin’ilay hoe “tabataban’ny fahanginana” koa aza moa dia tsy hita voaka intsony taty aoriana. Asa raha naharitra 5 taona no nahavitan-dry zareo an’izay, dia tsy re intsony koa. Ireo milaza azy ho “zanak’Andriana” no miezaka mahatsiaro sy manao zavatra matetika eny Anatirova, nefa na izany aza dia tsapa fa mbola tafiditry ny fifaninanana sy fifaminganana ary ny fizahozahoana ihany koa ny an-dry zareo ireo. Tsy tafalatsaka any anaty vahoaka koa moa ny foto-kevitra tian’ny “zanak’Andriana” hahatongavana fa toa vao mainka manava-tena ny maro amin’izy ireo. Tsy vitan-tsento ange ny fanarenana an’Anatirova sy ny fanomezana hasina ny vakoka Malagasy mbamin’ny zavatra manan-danja toa ireny teo amin’ny Malagasy e! Omaly, ohatra, dia mbola izay fisehoana ivelany izay ihany no nataon’ny “Zanak’Andriana” teny. Tsy fantatra intsony koa moa na tena zanak’Andriana avokoa ry zareo na misy ny misavi-tsaranga!. Fa ny fitondram-panjakana, etsy ankilany. Tokony ho mandray andraikitra amin’ny fanentanana ny ambanilanitra  ho amin’ny fanarenana azy io, fa toa ny famonoana an-karanany ny hasin’ny Malagasy amin’ny alalan’ny fihetsika isan-karazany mifanohitra amin’ny kolotsaina Malagasy momba ireny vakoka manana ny hasiny eto ireny no ataony, raha tsy hanipika ankoatry ny nataon-dRavalomanana teny Anatirova isika tamin’ny firosoany sy fahamaizany hanarina an’Anatirova. Miverina sy mahazo laka koa io toe-tsaina fanosihosena ny hasin’ny Malagasy miorina amin’ny vakoka toa an’Anatirova io, raha ny ataon-dRajaonarimampianina sy Mahafaly Olivier tato ho ato no zohiana. Ny an’ny mpitondra ankehitriny moa, raha tsorina, dia ny fiarovany ny tombontsoany manokana no mahamaika azy ka nahatonga an-dry zareo ho niaka-drova, nanota fady mihitsy mba hamonoana an-karanany ny fanandratana indray izany rafi-pitondrana maha-malagasy, miorina amin’ny hasin’ny firenena sy ny soatoavina Malagasy izany. Fantatry ny filoha ankehitriny tsara mantsy fa misy “tompony” ny fahefam-panjakana eto Madagasikara fa tsy azo solokiana toy ny nataon’ireo rehetra nifandimby teto hatramin’ny 1896, ka ny hamotika an’io “tompon’ny fanjakana malagasy” io no imasoan-dry zareo izao. Tsy mahagaga raha adino tanteraka ny hasin’Anatirova, 21 taona aty aorian’ny nahamay aty.

Ralay

Ajouter un Commentaire